Joba
Toko 19
- 1[Ny teny navalin’i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2 Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin’ny fiteny?
- 3Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo.
- 4Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no andrian’ny fa hadisoako.
- 5Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra,
- 6Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin’ny fandrika haratony.
- 7Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.
- 8Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin’ny lalana alehako.
- 9Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako.
- 10Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.
- 11Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho.
- 12Miara-mandroso ny antokon’ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko.
- 13Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.
- 14Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy.
- 15Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho.
- 16Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin’ny vavako aho.
- 17Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak’ineny aho.
- 18Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy ireny.
- 19Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.
- 20Ny taolako miraikitra amin’ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra.
- 21Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako รด; fa ny tànan’Andriamanitra efa mikasika ahy.
- 22Nahoana no manenjika ahy tahaka an’Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin’ny nofoko?
- 23Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin’ny boky ireny!
- 24Enga anie ka ho voasoratra amin’ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin’ny vatolampy ho mandrakizay izy!
- 25Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra* ahy, ka hitsangana any am-parany** eo ambonin’ny vovoka Izy.[*Heb. Goela][**Na: ho farany]
- 26Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’Andriamanitra*;[Na: Dia hahita an’Andriamanitra amin’ny nofoko aho]
- 27Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko* ato anatiko.[Heb. voako]
- 28Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny* ny fototry ny mahameloka azy**.[*Heb. anatiko][**Heb. ahy]
- 29Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.