Joba
Toko 34
- 1Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
- 2Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana.
- 3Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava* no manandrana hanina.[Heb. lanilany]
- 4Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika.
- 5Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin’Andriamanitra tamiko ny rariny;
- 6Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho.
- 7Aiza moa no misy lehilahy tahaka an’i Joba, izay manaram-po amin’ny famingavingana toy ny fisotro rano.
- 8Ary tonga naman’ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin’ny ratsy fanahy?
- 9Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin’Andriamanitra.
- 10Koa amin’izany mihainoa ahy, ianareo manam-panahy: Lavitra an’Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!
- 11Fa ny nataon’ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy.
- 12Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.
- 13Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao?
- 14Raha tàhiny ny tenany ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy,
- 15Dia hiala avokoa ny ain’ny nofo rehetra, ary hiverina amin’ny vovoka ny olona.
- 16Raha manam-pahalalana ianao, dia mandrenesa izao, ka mihainoa ny teniko
- 17Moa mahay mifehy va izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao?
- 18(Mety va ny miteny amin’ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao! Ary amin’ny zanak’andriana: Ry ilay ratsy!),
- 19Dia Ilay tsy mizaha ny tavan’ny lehibe, ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, satria samy asan’ny tànany avokoa izy rehetra.
- 20Maty amin’ny indray mipi-maso monja amin’ny mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy ao intsony; Ary ny mahery dia lasa tsy esorin-tanana.
- 21Fa ny mason’Andriamanitra dia mijery ny alehan’ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy.
- 22Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren’ny mpanao ratsy.
- 23Fa Andriamanitra tsy mba miandry aloha vao mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo anatrehany.
- 24Manorotoro ny olona mahery Izy, na dia tsy manadina aza, ka manangana olon-kafa hisolo azy.
- 25Koa hita amin’izany fa fantany ny asan’ireo, ka dia mamono azy amin’ny alina ho torotoro Izy.
- 26Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin’ny ratsy fanahy ireo* eo imason’ny vahoaka.[Na: Mamely azy toy ny famely ny ratsy fanahy Izy]
- 27Izao no nialan’ireo tamin’Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory,
- 28Dia ny mba hahatonga ny fitarainan’ny malahelo eo anatrehany ka hampandre Azy ny fitarainan’ny ory.
- 29Mangina* Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin’ny firenena, na amin’ny olona tsirairay,[Na: Manome fiadanana]
- 30Mba tsy hanjakan’ny ratsy fanahy, ary tsy ho voafandrika ny vahoaka.
- 31Fa moa mba efa nisy niteny tamin’Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena* aho ka tsy hanao ratsy intsony;[Na: nijaly]
- 32Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony?
- 33Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon’ny olona, no efa nandà ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho*, koa izay fantatrao no ambarao.[Na: Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny olona Fa efa nandà, ka dia ianao no tsy maintsy mifidy, fa tsy izaho]
- 34Ny olona manam-panahy hilaza amiko, ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe:
- 35Miteny tsy amim-pahalalana Joba, ary ny teniny tsy amim-pahendrena.
- 36Enga anie ka hizahan-toetra mandrakariva Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon’ny ratsy fanahy!
- 37Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady amin’Andriamanitra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.