Joba
Toko 5
- 1Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin’ireo masina no hotodihinao?
- 2Fa ny adala dia vonoin’ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin’ny fialonana.
- 3Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho;
- 4Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy;
- 5Ny vokatry ny taniny dia lanin’ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany
- 6Fa tsy mivoaka avy amin’ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin’ny tany ny fahoriana,
- 7Nefa teraka ho amin’ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin’ny kilalaon’afo miakatra
- 8Fa raha toa ahy kosa dia hitady an’Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko,
- 9Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa,
- 10Dia Izay mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin’ny tany ary mampandeha rano eny amin’ny saha,
- 11Ka apetrany amin’ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin’ny fahafinaretana ny miory,
- 12Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan’ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany;
- 13Ny fahafetsen’ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon’ny mpiolakolaka dia rava;
- 14Na dia amin’ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin’ny maizina ireny ka miraparapa amin’ny mitataovovonana tahaka ny amin’ny alina;
- 15Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan’ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon’ny tanan’ny mahery izy.
- 16Dia misy fanantenana ho an’ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava
- 17Indro, sambatra ny zanak’olombelona izay anarin’Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan’ny Tsitoha;
- 18Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana.
- 19Amin’ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin’ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao.
- 20Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin’ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan’ny sabatra Izy;
- 21Hampiereny tsy ho voan’ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana;
- 22Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia;
- 23Fa vita fanekena amin’ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao;
- 24Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao;
- 25Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin’ny tany;
- 26Haharitra ianao ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin’ny fotoana.
- 27Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.