Joba
Toko 33
- 1Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra.
- 2Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako.
- 3Ny hitsim-poko no hiseho amin’ny teniko; Ary ny fahalalan’ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.
- 4Ny Fanahin’Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain’ny Tsitoha no mamelona ahy.
- 5Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara.
- 6Indro, izaho koa mba an’Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin’ny tanimanga.
- 7Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.
- 8Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon’ny teninao hoe:
- 9Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka;
- 10He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;
- 11Mampiditra ny tongotro eo amin’ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra.
- 12He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ny zanak’olombelona.
- 13Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ny ataony*? [Na: Noho ny tsy amaliany ny tenin’olombelona?]
- 14Kanefa misy fanao iray itenenan’Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ny olona izany,
- 15Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin’ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,
- 16Dia manokatra ny sofin’ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,
- 17Mba hampiala ny olona amin’ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana.
- 18Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan’ny fiadiana.
- 19Anarina amin’ny fanaintainana eo ampandriany koa izy sy amin’ny fikotrankotran’ny taolany lalandava;
- 20Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian’ny fanahiny.
- 21Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;
- 22Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina.
- 23Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin’ny arivo, hanoro izay tokony halehan’ny olona,
- 24Ary* hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho,[Na: Dia]
- 25Dia ho tsara noho ny an’ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ny andro nahatanorany izy;
- 26Hivavaka amin’Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin’ny hafaliana, fa hampodiny amin’ny zanak’olombelona ny fahamarinany*.[Na: hamaly ny olona araka ny fahamarinany Izy]
- 27Dia hihira izy hilaza amin’ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko;
- 28Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin’ny fahitana ny mazava.
- 29Indro, izany rehetra izany no ataon’Andriamanitra indroa amin’ny olona, eny, intelo aza,
- 30Mba hamerina ny fanahiny tsy ho* any an-davaka, mba hihazavany amin’ny fahazavan’aina.[Na: hiala]
- 31Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangina kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny.
- 32Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho;
- 33Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangina tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.