Joba
Toko 16
- 1[Ny teny navalin’i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra.
- 3Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?
- 4Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;
- 5Mahazo mampahery anareo amin’ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon’ny molotro.
- 6Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangina aza aho, dia tsy misy mihena izany.
- 7Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.
- 8Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao*, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.[Na: nosamborinao aho]
- 9Amin’ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;
- 10Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy.
- 11Efa voatolotr’Andriamanitra ho amin’ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tànan’ny mpanota.
- 12Tamin’ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin’ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.
- 13Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin’ny tany.
- 14Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.
- 15Lamba fisaonana* no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin’ny vovoka ny tandroko.[Heb. lamba malailay]
- 16Ny tavako tera-menan’ny fitomaniana, ary eo amin’ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;
- 17Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.
- 18Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!
- 19Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin’ny avo.
- 20Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan’Andriamanitra kosa aho,
- 21Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak’olombelona amin’ny sakaizako*.[Heb. sakaizany]
- 22Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin’ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.