Joba
Toko 14
- 1Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.
- 2Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana*, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.[Na: malazo]
- 3kanefa amin’izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin’ny fitsarana*![Na: fitsaranao]
- 4Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.
- 5Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan’ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana,
- 6Dia mihodina tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin*’ny androny toy ny mpikarama.[Na: hotaperany]
- 7Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony;
- 8Na dia efa tonga antitra ao amin’ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin’ny vovoka ny fotony,
- 9Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.
- 10Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy?
- 11Ny rano miala eo amin’ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra,
- 12Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian’ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin’ny torimasony.
- 13Enga anie ka hanafina ahy any amin’ny fiainan-tsi-hita* Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr’andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy [Heb. Sheola]
- 14Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan’ny fahafahako*.[Na: fiovako]
- 15Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan’ny tananao Hianao.
- 16Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?
- 17Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko.
- 18Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin’ny fitoerany;
- 19Lanin’ny rano ny vato; ary indaosin’ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan’ny zanak’olombelona.
- 20Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.
- 21Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.
- 22Ny mihatra amin’ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin’ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.