Joba
Toko 10
- 1Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian’ny fanahiko
- 2Hanao amin’Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton’ny iadianao amiko aho.
- 3Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy?
- 4Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin’ny zanak’olombelona?
- 5Tahaka ny andron’ny zanak’olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan’ny olombelona ny taonanao,
- 6No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,
- 7Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin’ny tananao?
- 8Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.
- 9Masina Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin’ny vovoka indray Hianao!
- 10Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?
- 11Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin’ny taolana sy ny ozatra.
- 12Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.
- 13Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:
- 14Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin’ny heloko.
- 15Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.
- 16Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.
- 17Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy.
- 18Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory.
- 19Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.
- 20Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely,
- 21Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin’ny tanin’ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,
- 22Ho any amin’ny tany maizim-pito, dia ny an’ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.