Joba
Toko 15
- 1[Ny teny fanindroany nataon’i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
- 2Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin’ny rivotra avy any atsinanana va,
- 3Ary hamaly amin’ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara?
- 4Eny, foananao ny fahatahorana an’Andriamanitra, ary tampenanao* ny fivavahana eo anatrehany;[Na: hamavoinao]
- 5Fa ny helokao no manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan’ny fetsy ianao*.[Na: Tsy maneho ny helokao va ny vavanao, Na dia mianatra ny lelan’ny fetsy aza ianao?]
- 6Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao.
- 7Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan’ny tendrombohitra va ianao?
- 8Isan’ny mpihevitra teo amin’Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena?
- 9Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa?
- 10Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.
- 11Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin’Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin’ny fahalemem-panahy?
- 12Nahoana no dia entin’ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao,
- 13Ka miefonefona amin’Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao?
- 14Inona ny zanak’olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?
- 15Indro, ireo anjeliny* aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;[Heb. masina]
- 16Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano!
- 17Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko,
- 18Dia zavatra notorin’ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin’ny razany;
- 19Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy.
- 20Ny ratsy fanahy mijalijaly amin’ny androny rehetra, dia amin’ny taona rehetra voatendry ho an’ny lozabe.
- 21Feo mampitahotra no ren’ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.
- 22Tsy manantena ho afaka amin’ny maizina izy; Andrasan’ny sabatra izy.
- 23Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.
- 24Fahoriana sy fahaporitana* no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin’ny ady,[Na: Alahelo sy ahiahy]
- 25Satria naninjitra ny tanany hanohitra an’Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.
- 26Mimaona amin’ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin’ny foitran’ampingany matevina,
- 27Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany;
- 28Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran’olona, izay efa voatendry ho korontam-bato.
- 29Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra* ambonin’ny tany ny fananany.[Heb. hilonjehitra amin’ny tany toy ny vary efa vokatra]
- 30Tsy ho afaka amin’ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon’ny lelafo; ho levon’ny fofonain’Andriamanitra izy.
- 31Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy.
- 32Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany.
- 33Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny.
- 34Fa tsy ho vanona ny ankohonan’ny mpihatsaravelatsihy*, ary ho lanin’ny afo ny tranon’ny mpitoroka.[Na: ratsy fanahy]
- 35Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.