Ohabolana
Toko 31
- 1[Ny amin’ny tokony ho toetry ny mpanjaka] Ny tenin*’i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay** nananaran-dreniny azy.[*Na: Ny teny ho an’][**Na: Lemoela, mpanjakan’i Masa, dia ilay]
- 2Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko?
- 3Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny fombam-piainanao* ho an’izay** manimba mpanjaka.[*Heb. lalanao][**Na: izay zavatra]
- 4Tsy mety amin’ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin’ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin’ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka;
- 5Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana.
- 6Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an’izay malahelo azon’ny fangidiam-panahy;
- 7Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony.
- 8Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan’ny kamboty ny rariny;
- 9Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
- 10[Fankalazana ny vehivavy izay sady tsara no mazoto] Iza no mahita vehivavy tsara*? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy**. [*Na: mahay][**Na: perla]
- 11Matoky azy ny fon’ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy.
- 12Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin’ny andro rehetra iainany.
- 13Mizaha volon’ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin’ny tànany.
- 14Toy ny sambon’ny mpandranto izy, Ka avy any amin’ny lavitra no itondrany ny haniny.
- 15Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an’ny ankohonany Sy anjara ho an’ny ankizivaviny.
- 16Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka.
- 17Misikina hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny.
- 18Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
- 19Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela.
- 20Manatsotra ny tànany amin’ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin’ny mahantra.
- 21Tsy manahy ny oram-panala ho amin’ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon’ondry mena avokoa.
- 22Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.
- 23Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin’ny loholona.
- 24Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin’ny mpandranto*.[Heb. Kananita]
- 25Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany.
- 26Manokatra ny vavany amin’ny fahendrena izy; Ary ny lalàn’ny famindram-po no eo amin’ny lelany.
- 27Mitandrina tsara ny ataon’ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon’ny fahalainana.
- 28Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe:
- 29Maro no zazavavy nanao soa*, Fa ianao manoatra noho izy rehetra.[Na: nahavory harena]
- 30Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah ihany no hoderaina.
- 31Omeo azy ny avy amin’ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.