Ohabolana
Toko 11
- 1Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany.
- 2Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena.
- 3Ny fahitsian’ny mahitsy no mitarika azy; Fa ny faharatsian’ny mpivadika mahatonga fandringanana amin’ny tenany.
- 4Ny harena dia tsy mahasoa amin’ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ny fahafatesana.
- 5Ny fahamarinan’ny marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon’ny haratsiany ihany.
- 6Ny fahamarinan’ny mahitsy mamonjy azy; Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny.
- 7Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany, Eny, foana ny fanantenan’ny mpanao ratsy*. [Na: mahery]
- 8Ny marina dia vonjena amin’ny fahoriana; Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy.
- 9Ny vavan’ny mpihatsaravelatsihy* no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina**. [*Na: ratsy fanahy][**Na: Ny fahalalan’ny marina no hanafahana ny namany]
- 10Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby.
- 11Ny fisaoran*’ny marina no isandratan’ny tanàna; Fa ny vavan’ny ratsy fanahy no aharavany.[Na: Ny fitahiana avy amin’]
- 12Tsy ampy saina izay manamavo ny namany; Fa izay hendry dia mangina.
- 13Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.
- 14Raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena; Fa handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina.
- 15Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny: Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka.
- 16Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera; Ary ny mpanao an-keriny mahazo harena.
- 17Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ny tenany; Fa ny lozabe dia todin’ny halozany.
- 18Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa.
- 19Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin’ny fiainana; Fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan’ny fahafatesana.
- 20Fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny meloka am-po; Fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny.
- 21Azo itompoana tokoa fa* tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no hovonjena.[Na: Azo ifandraisan-tanana fa; na: Hatramin’ny taranaka fara mandimby dia]
- 22Toy ny kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena*.[Na: efa niala tamin’ny fahendrena]
- 23Ny soa ihany no irin’ny marina; Fa fahatezerana no fanantenan’ny ratsy fanahy.
- 24Misy mahafoy*, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra**, nefa tonga malahelo ihany.[*Heb. mamafy][**Na: mihazona ny hareny]
- 25Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa*. [Heb. Ary izay mampisotro dia mba hampisotroina kosa]
- 26Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin’ny olona; Fa saotra no ho amin’ny lohan’izay mivarotra.
- 27Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra; Fa izay mitady ny ratsy dia hiharan’izany.
- 28Izay matoky ny hareny dia ho lavo; Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso.
- 29Izay mampidi-doza amin’ny ankohonany dia mandova ny rivotra; Ary ny adala dia tonga mpanompon’ny hendry.
- 30Ny vokatry ny marina dia hazon’aina, Ary ny hendry dia mahataona olona.
- 31Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.