Ohabolana
Toko 24
- 1Aza mialona ny olona ratsy fanahy, Na maniry ho namany;
- 2Fa fandravana no saintsainin’ny fony, Ary fampahoriana notenenin’ny molony.
- 3Fahendrena no anaovana trano; Ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy;
- 4Sady fahalalana no hamenoana ny efi-trano Amin’izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.
- 5Be hery ny lehilahy hendry, Eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana;
- 6Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena.
- 7Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena*, Tsy mba mahaloa-bava eo am-bavahady izy.[Na: Ataon’ny adala ho haingohaingo foana ny fahendrena]
- 8Izay misaintsaina hanao ratsy Dia atao hoe mpamoron-tsain-dratsy.
- 9Ota ny fikasan’ny hadalana; Ary fahavetavetana eo imason’ny olona ny mpaniratsira.
- 10Raha reraka amin’ny andro fahoriana ianao, Dia kely ny herinao.
- 11Vonjeo izay entina hovonoina, Ary enga anie ka mba harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana!
- 12Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany* izahay, Moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? Ary Izay mandinika ny fanahinao tsy hahalala izany va? Eny, hovaliany araka ny ataony avy ny olona rehetra.[Na: io]
- 13Anaka, homàna tantely, fa tsara izany, Ary ny toho-tantely, fa ho mamy eo am-bavanao*;[Heb.lanilaninao]
- 14Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho an’ny fanahinao; Fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana, Ka tsy ho foana ny fanantenanao.
- 15Aza manotrika ao akaikin’ny tranon’ny marina ianao, ry ilay ratsy, Aza ravanao ny fonenany;
- 16Fa potraka im-pito ny marina, nefa tafarina ihany; Ary ny ratsy fanahy kosa solafaka, raha azom-pahoriana*.[Na: ka idiran-doza]
- 17Aza faly, raha lavo ny fahavalonao, Ary aza ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy;
- 18Fandrao hitan’i Jehovah izany ka ataony ho ratsy, Ary ampialainy aminy ny fahatezerany.
- 19Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy;
- 20Fa tsy hisy fanantenana* ho an’ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy.[Heb. farany]
- 21Anaka, matahora an’i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin’izay miovaova*;[Na: hafa saina noho izany]
- 22Fa ho tampoka no hitrangan’izay hanjo ireny; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin’ny androny*? [Heb. taonany]
- 23Izao koa no tenin’ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan’olona amin’ny fitsarana.
- 24Izay manao amin’ny meloka hoe: Marina ianao, Dia hozonin’ny olona sady ho halan’ny firenena;
- 25Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara.
- 26Izay mahavoa tsara amin’ny famaliana dia manoroka ny molotra.
- 27Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao.
- 28Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; Moa hamitaka amin’ny molotrao va ianao?
- 29Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay nataony.
- 30Nandalo ny sahan’ny kamo Sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho;
- 31Ary, indro, feno sampivato izy Sady voasaron’ny amiana, Ary nirodana ny ampiantany vatony.
- 32Dia nojereko ka noheveriko tsara, Eny, hitako ka nahazoako anatra.
- 33Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany. Mbola hanohon-tanana kely hatory;
- 34Dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.