Ohabolana
Toko 17
- 1Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana Noho ny trano feno hena misy fifandirana.
- 2Ny mpanompo hendry dia hanapaka ny zanaka manao izay mahamenatra Sady hizara lova amin’ny mpirahalahy.
- 3Ny memy ho an’ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an’ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo.
- 4Ny mpanao ratsy mampandry sofina amin’ny molotra mandainga; Ary ny mpandainga mihaino ny lela mampidi-doza.
- 5Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy; Ary izay faly amin’ny fahorian’ny sasany dia tsy maintsy hampijalina.
- 6Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; Ary voninahitry ny zanaka ny rainy.
- 7Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala, Koa mainka fa tsy tokony ho an’ny zanak’andriana ny molotra mandainga.
- 8Ny kolikoly dia toy ny vato soa eo imason’izay mahazo azy, Ka na aiza na aiza alehany dia ambinina ihany.
- 9Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza.
- 10Ny anatra dia manan-kery kokoa amin’ny hendry Noho ny kapoka injato amin’ny adala.
- 11Ny maditra dia fatra-pitady ny ratsy, Ka dia iraka lozabe no irahina hamely azy.
- 12Aleo mifanena amin’ny bera very anaka Toy izay amin’ny adala feno hadalana.
- 13Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony.
- 14Ny fiandohan’ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.
- 15Izay manamarina ny meloka, na izay manameloka ny marina,Dia samy fahavetavetana eo imason’i Jehovah.
- 16Hatao inona re ity vola an-tànan’ny adala? Hamidy fahendrena va? tsy manan-tsaina izy.
- 17Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, Sady miseho* ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.[Heb. ateraka]
- 18Olona tsy ampy saina izay mifandray tanana Hiantoka eo anatrehan’ny sakaizany.
- 19Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana.
- 20Izay madi-po tsy hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin’ny loza.
- 21Izay miteraka adala hahazo alahelo; Ary ny rain’ny adala tsy ho faly.
- 22Ny fo ravoravo mahasalama tsara; Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.
- 23Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny.
- 24Eo anoloan’ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny mason’ny adala dia mibirioka any amin’ny faran’ny tany.
- 25Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy Sady fahoriana mangidy amin’ny reniny niteraka azy.
- 26Tsy mety raha mampijaly ny marina, Na mamely ny manan-kaja noho ny fahamarinany*.[Na: tsy amin’ny rariny]
- 27Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; Ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina.
- 28Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.