Ohabolana
Toko 8
- 1[Ny fiantsoan’ny fahendrena, sy ny fahatsarany] Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?
- 2Eo an-tampon’ny fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany.
- 3Eo anilan’ny vavahady, amin’ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe:
- 4Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin’ny zanak’olombelona.
- 5Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala.
- 6Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan’ny molotro.
- 7Fa ny marina ihany no holazain’ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin’ny molotro.
- 8Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.
- 9Miharihary avokoa izy, raha amin’ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin’ny efa nahazo fahalalana.
- 10Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina.
- 11Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy*; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.[Na: perla]
- 12Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan’ny fahalalako ny fisainana mazava.
- 13Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.
- 14Ahy ny fisainana sy ny fanambinana*; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery;[Na: tena fahendrena]
- 15Izaho no anjakan’ny mpanjaka Sy andidian’ny mpanapaka araka ny rariny;
- 16Izaho no anapahan’ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin’ny tany.
- 17Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.
- 18Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.
- 19Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan’ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina.
- 20Amin’ny alehan’ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin’ny lalan’ny fitsarana marina,
- 21Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.
- 22Jehovah nahary* ahy ho fiandohan’ny alehany, Ho voalohany amin’ny asany hatramin’ny taloha.[Na: nahazo]
- 23Izaho notendreny hatramin’ny fahagola, Eny, hatramin’ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.
- 24Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,
- 25Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho,
- 26Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan’ny vovo-tany ambonin’izao rehetra izao.
- 27Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin’ny lalina Izy,
- 28Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon’ny lalina,
- 29Raha nanisy faritra ho an’ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan’ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin’ny fanorenan’ny tany,
- 30Dia mpità-marika* teo anilany aho Sady ravoravo isan’andro isan’andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;[Na: notezaina]
- 31Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak’olombelona.
- 32Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;
- 33Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà.
- 34Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin’ny tolam-baravarako.
- 35Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin’i Jehovah;
- 36Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin’ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.