Ohabolana
Toko 10
- 1[Ohabolana samy hafa ny amin’ny tsi-fitovian’ny toetry ny hendry sy ny adala, mbamin’ny valin’ny ataony avy] Ohabolan’i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
- 2Ny harena azo amin’ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin’ny fahafatesana.
- 3Tsy avelan’i Jehovah ho mosarena ny fanahin’ny marina; Fa foanany ny fanirian’ny ratsy fanahy.
- 4Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin’ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan’ny mazoto.
- 5Izay manangona amin’ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin’ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra.
- 6Fitahiana no ho ao amin’ny lohan’ny marina; Fa loza no mandrakotra* ny vavan’ny ratsy fanahy.[Na: Fa manaron-doza]
- 7Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran’ny ratsy fanahy.
- 8Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava.
- 9Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin’ny alehany dia fantatra.
- 10Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava.
- 11Loharanon’aina ny vavan’ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan’ny ratsy fanahy*. [Izahao and. 6]
- 12Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.
- 13Amin’ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin’ny lamosin’ny tsy ampy saina.
- 14Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan’ny adala eo akaikin’ny fandringanana.
- 15Ny haren’ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan’ny ory no fandringanana azy.
- 16Ho fiainana ny asan’ny marina; Fa ho ota ny fitomboan’ny haren’ny ratsy fanahy.
- 17Izay mino anatra dia ho tonga eo amin’ny lalan’ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra.
- 18Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.
- 19Ny teny maro tsy ilaozan’izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.
- 20Volafotsy voafantina ny lelan’ny marina; Fa ny fon’ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.
- 21Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana.
- 22Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany*.[Na: Ary tsy ampiany alahelo]
- 23Toa laolaon’ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa*. [Na: Toa laolaon’ny adala ny fahafetsena; Fa ny manan-tsaina no manam-pahendrena]
- 24Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin’ny marina no homena azy.
- 25Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay.
- 26Toy ny vinaingitra amin’ny nify sy ny setroka amin’ny maso. Dia mba toy izany koa ny malaina amin’izay maniraka azy.
- 27Ny fahatahorana an’i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan’ny ratsy fanahy hohafohezina.
- 28Ny fanantenan’ny marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan’ny ratsy fanahy ho foana.
- 29Ny lalan’i Jehovah dia fiarovana mafy ho an’izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an’ny mpanao ratsy.
- 30Ny marina tsy hangozohozo mandrakizay; Fa ny ratsy fanahy tsy honina amin’ny tany.
- 31Eo amin’ny vavan’ny marina no itsimohan’ny fahendrena; Fa ny lela fandainga hofongorana.
- 32Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan’ny ratsy fanahy dia feno fitaka.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.