Ohabolana
Toko 28
- 1Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.
- 2Ny fahotan*’ny tany mahamaro mpanapaka; Fa ny fisian’ny olona manan-tsaina** kosa no mampahateza ny fanjakana***. [*Na: fikomian’][**Na: manan-tsaina sady mahalala rariny][***Na: Fa noho ny manan-tsaina no haharetan’ny fahamarinana]
- 3Ny malahelo izay mampahory ny mahantra Dia toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy hanina.
- 4Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin’ny fanoherana azy.
- 5Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an’i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra.
- 6Ny malahelo izay mandeha amin’ny fahitsiany Dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka mandeha amin’ny lalana miolikolika.
- 7Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry; Fa izay misakaiza amin’ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.
- 8Izay mampitombo ny fananany amin’ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an’izay miantra ny malahelo
- 9Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
- 10Izay mampivily ny mahitsy ho amin’ny lalan-dratsy Dia ho lavo amin’ny lavaka nataony; Fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa.
- 11Ny manan-karena manao azy ho hendry; Fa ny malahelo izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy.
- 12Raha ravoravo ny marina, dia be ny famirapiratana; Fa raha misandratra* kosa ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka.[Na. mitsangana]
- 13Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.
- 14Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.
- 15Liona mierona sy bera miremby Ny mpanapaka ratsy fanahy amin’ny olona reraka.
- 16Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory; Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona.
- 17Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy.
- 18Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin’ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka.
- 19Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina Fa izay manaraka ny olom-poana* ho voky alahelo kosa.[Na: zava-poana]
- 20Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.
- 21Tsy mety raha mizaha tavan’olona; Kanefa na dia amin’ny sombin-kanina ihany aza dia sahin’ny olona hanotana.
- 22Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo.
- 23Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay Noho izay mandrobo amin’ny lelany.
- 24Izay mandroba ray sy reny Ka manao hoe: Tsy heloka izany, Dia naman’ny mpanimba.
- 25Izay mierina* manetsika ady; Fa izay matoky an’i Jehovah dia hohatavezina.[Na: miavonavona am-po]
- 26Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin’ny fahendrena no ho afa-miala.
- 27Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be;
- 28Raha misandratra* ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.[Na: mitsangana]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.