Ohabolana
Toko 2
- 1[Ny soa hitan’izay mandray ny fahendrena] Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko,
- 2Ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao;
- 3Eny, raha miantso ny fahalalana ianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina,
- 4Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina:
- 5Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.
- 6Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.
- 7Izy mitahiry fanambinana*ho an’ny mahitsy Sady ampingan’izay mandeha tsy misy tsiny;[Na: tena fahendrena]
- 8Ka dia mitandrina ny lalan’ny fahamarinana Izy Ary miambina ny lalan’ny olony masina.
- 9Ary amin’izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.
- 10Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, Ary* mamin’ny fanahinao ny fahalalana,[Na: Fa ho tafiditra ao am-ponao ny fahendrena, Ka ho]
- 11Dia hiaro anao ny fisainana mazava, Ary hiambina anao ny fahalalana,
- 12Ka hamonjy anao amin’ny lalan-dratsy Sy amin’ny lehilahy izay miteny fitaka,
- 13Izay mahafoy ny lalan’ny fahamarinana Mba hizorany amin’ny lalan’ny fahamaizinana,
- 14Dia izay faly hanao ratsy Sy finaritra amin’ny fitaky ny ratsy,
- 15Dia izay melo-dalana Sy maniasia amin’ny alehany;
- 16Ary hamonjy anao amin’ny vehivavy jejo* koa izany, Dia amin’ny vahiny janga izay mandrobo amin’ny teniny,[Heb. vehivavy tsy vadinao]
- 17Izay mahafoy ny vadin*’ny fahatanorany Sy manadino ny fanekeny teo amin’Andriamaniny.[Heb. sakaizan’]
- 18Fa ny tranony milentika ho amin’ny fahafatesana, Ary ny alehany mankany amin’ny maty.
- 19Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy, Na mihazo amin’ny lalan’aina,
- 20Handehananao amin’ny lalan’ny tsara fanahy Sy hitandremanao ny alehan’ny marina.
- 21Fa ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, Ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao;
- 22Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, Ary ny mpivadika hongotana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.