Ohabolana
Toko 12
- 1Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.
- 2Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin’i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny.
- 3Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan’ny marina tsy mba hihetsika.
- 4Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin’ny taolana.
- 5Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan’ny ratsy fanahy.
- 6Ny tenin’ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan’ny marina hamonjy azy.
- 7Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony*; Fa ny mpianakavin’ny marina haharitra.[Na: Vetivety foana dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy]
- 8Araka ny fahendren’ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.
- 9Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory.
- 10Ny marina mitsimbina ny ain’ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon’ny ratsy fanahy;
- 11Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana* dia tsy ampy saina.[Na: ny zava-poana]
- 12Ny mpanota maniry ny hazan*’ny ratsy fanahy; Fa ny fakan’ny marina mitrebona**. [*Na: ny fandriky][**Na: Fa ny marina ataon’Andriamanitra miorim-paka]
- 13Amin’ny fahotan’ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin’ny fahoriana.
- 14Ny vokatry ny vavan’ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan’ny tànany hitsingerina aminy.
- 15Ny lalan’ny adala dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry.
- 16Ny fahasosoran’ny adala dia fantatra miaraka amin’izay; Fa izay mahatsindry fo amin’ny fanalam-baraka no hendry.
- 17Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.
- 18Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra; Fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.
- 19Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja.
- 20Fitaka no ao am-pon’izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin’izay misaina fiadanana.
- 21Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza* ny ratsy fanahy.[Heb. henika ny ratsy]
- 22Fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
- 23Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana*; Fa ny fon’ny adala mamoaka fahadalana.[Heb. manafina fahalalana]
- 24Ny tanan’ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina.
- 25Ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy.
- 26Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan’ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.
- 27Ny kamo tsy mety mihaza*; Fa fananana soa ho an’ny olona ny zoto.[Na: tsy mahatono izay nohazainy]
- 28Amin’ny lalan’ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.