Ohabolana
Toko 7
- 1Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko.
- 2Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.
- 3Afehezo eo amin’ny rantsan-tananao izy, Soraty ao amin’ny fonao tahaka ny amin’ny vato fisaka izy.
- 4Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko ianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra ianao;
- 5Mba hiarovana anao amin’ny vehivavy jejo*, Dia amin’ny vahiny janga izay manao teny mandrobo.[Heb. vehivavy tsy vadinao]
- 6Fa teo amin’ny varavarankelin’ny tranoko, Dia teo amin’ny makarakara, no nitsirihako,
- 7Ka nahita anankiray tamin’ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina,
- 8Izay nandeha tamin’ny lalana akaikin’ny zoron-tranon’ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony,
- 9Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin’ny alina efa maizina dia maizina.
- 10Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin’ny janga no mifetsy am-po,
- 11Sady vavàna no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony;
- 12Fa vetivety mby eny an-dalam-be izy, ary vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy.
- 13Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe:
- 14Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary androany no nanefako ny voadiko.
- 15Koa dia nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa.
- 16Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta.
- 17Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra* ary havozo manitra.[Heb. ahalima]
- 18Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain’ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin’ny fitiavana isika.
- 19Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy;
- 20Ny kitampom-bola dia nentiny any an-tànany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon’ny volana.
- 21Tamin’ny teny maro no nampanekeny azy, Tamin’ny fandroboan’ny molony no nitaomany azy,
- 22Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin’izay ilay zatovo*, Tahaka ny omby entina hovonoina, Ary tahaka ny adala hogadrana**, [*Na: Na iza na iza mandeha manaraka azy dia][**Heb. tahaka ny gadra ho famaizana ny adala]
- 23 Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin’ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.
- 24Koa mihainoa ahy ianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako.
- 25Aoka tsy hivily ho any amin’ny lalany ny fonareo, Ary aza mania ho amin’ny alehany.
- 26Fa betsaka no naripany ka maty; Ary maro be no efa matiny.
- 27Ny tranony dia lalana mankany amin’ny fiainan-tsi-hita*, Eny, midina ho any amin’ny efi-tranon’ny fahafatesana.[Heb. Sheola]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.