Ohabolana
Toko 15
- 1Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.
- 2Ny lelan’ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan’ny adala miboiboika fahadalana.
- 3Ny mason’i Jehovah amin’izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
- 4Ny teny* malemy dia hazon’aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.[Heb. lela]
- 5Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
- 6Ao an-tranon’ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan’ny haren’ny ratsy fanahy dia misy loza.
- 7Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon’ny adala.
- 8Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
- 9Fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny lalan’ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.
- 10Famaizana mafy no hihatra amin’izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty.
- 11Ny fiainan-tsi-hita* sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan’i Jehovah, Koa mainka ny fon’ny zanak’olombelona![Heb. Sheola]
- 12Tsy tian’ny mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy.
- 13Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon’ny fo mahareraka ny fanahy.
- 14Ny fon’ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan’ny adala mankamamy ny fahadalana.
- 15Ratsy avokoa ny andron’ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.
- 16Aleo ny kely misy ny fahatahorana an’i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy.
- 17Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra* Toy izay omby mifahy asian-dromoromo**. [*Heb. fitiavana][**Heb. fankahalana]
- 18Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.
- 19Ny lalan’ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben’ny marina dia voalamina tsara.
- 20Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny.
- 21Ny fahadalana dia fifalian’ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy
- 22Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.
- 23Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran’ny teny atao amin’izay andro mahamety azy!
- 24Làlan’aina ho any ambony no alehan’ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita* any ambany,[Heb. Sheola]
- 25Ravan’i Jehovah ny tranon’ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin’ny mpitondra-tena aoriny mafy.
- 26Fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny* teny mahafinaritra.[Na: Fa ny madio manao]
- 27Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin’ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
- 28Ny fon’ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.
- 29Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny.
- 30Ny tarehy miramirana* mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.[Heb. Ny fahazavan’ny maso]
- 31Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin’ny hendry.
- 32Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana.
- 33Ny fahatahorana an’i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.