Ohabolana
Toko 1
- 1[Fitarihan-teny] Ny Ohabolan’i Solomona, zanak’i Davida, mpanjakan’ny Isiraely:
- 2Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin’ny fahalalana;
- 3Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;
- 4Hanomezam-pahendrena ho an’ny kely saina, Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an’ny zatovo.
- 5Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;
- 6Hahafantarana ohabolana sy fanoharana, Ary ny tenin’ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.
- 7Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin’ny mpanao ratsy.
- 8Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao;
- 9Fa fehiloha tsara tarehy amin’ny lohanao izany, Ary rado amin’ny vozonao.
- 10Anaka, raha taomin’ny mpanota ianao, Aza manaiky.
- 11Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-drà; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny;
- 12Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin’ny fiainan-tsi-hita* Ary hanao azy teli-moka toy ny latsaka any an-davaka;[Heb. Sheola]
- 13Dia ho azontsika ny fananana sarobidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;
- 14Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra:
- 15Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin’ny alehany;
- 16Fa ny tongony mihazakazaka ho amin’ny ratsy Sady faingana handatsa-drà.
- 17Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan’ny vorona.
- 18Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran’ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy.
- 19Toy izany no iafaran’izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain’izay fatra-pila azy izany.
- 20[Fiantsoana sy fananarana ataon’ny fahendrena] Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy;
- 21Mitory ao amin’izay fivorian’ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan’ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe:
- 22Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian’ny mpaniratsira amin’ny faniratsirana, Ary hankahalan’ny adala ny fahalalana?
- 23Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.
- 24Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina;
- 25Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:
- 26Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo.
- 27Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,
- 28Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.
- 29Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an’i Jehovah,
- 30Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,
- 31Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.
- 32Fa ny fihemoran’ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan’ny adala handringana azy.
- 33Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.