Ohabolana
Toko 3
- 1[Famporisihana hitondra tena tsara] Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
- 2Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao.
- 3Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin’ny fonao tahaka ny amin’ny vato fisaka,
- 4Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona ianao.
- 5Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao;
- 6Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao,
- 7Aza manao anao ho hendry; Matahora an’i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
- 8Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.
- 9Mankalazà an’i Jehovah amin’ny fanananao Sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra;
- 10Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ny vata fanantazanao.
- 11Anaka, aza manamavo ny famaizan’i Jehovah, Ary aza tofoka amin’ny fananarany;
- 12Fa izay tian’i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.
- 13[Ny fahasambaran’izay olona mahita fahendrena] Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana.
- 14Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.
- 15Sarobidy noho ny voahangy* izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.[Na: perla]
- 16Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia.
- 17Làlana mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra.
- 18Hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.
- 19Fahendrena no nanorenan’i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
- 20Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin’ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin’ny rahona.
- 21Anaka, aoka tsy hiala amin’ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava,
- 22Ka dia ho ain’ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao,
- 23Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.
- 24Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.
- 25Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely* ny ratsy fanahy, raha avy izany; [Na: ny fandringanana avy amin’ny]
- 26Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.
- 27[Famporisihana hanao soa amin’olona sy hanao ny marina] Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, Raha azon’ny tananao atao ihany;
- 28Aza manao amin’ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao.
- 29Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.
- 30Aza miady amin’olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.
- 31Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory,
- 32Satria fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin’ny marina kosa ny fisakaizany.
- 33Ny ozon’i Jehovah dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan’ny marina dia tahìny kosa.
- 34Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.
- 35Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran’ny adala.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.