Ohabolana
Toko 6
- 1[Ny tsy mahamety ny miantoka olona sy ny hakamoana sy ny fitaka sy ny avonavona; ary ny zavatra fito loha izay halan’i Jehovah] Anaka, raha niantoka ny namanao ianao Ary nandray tanana hiantoka ny hafa,
- 2Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao,
- 3Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan’ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin’ny namanao.
- 4Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao.
- 5Afaho ny tenanao toy ny gazela* miala amin’izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin’ny tanan’ny mpamandrika.[Izahao 2 Sam. ii.18]
- 6Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre;
- 7Tsy manana komandy ireny, Na mpifehy, na mpanapaka,
- 8Nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin’ny fararano.
- 9Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin’ny torimasonao ianao?
- 10Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tanana kely hatory,
- 11Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
- 12Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy,
- 13Izay mami-maso sy manao famantarana amin’ny tongony Ary manao baiko amin’ny rantsan-tànany;
- 14Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady.
- 15Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana.
- 16Izao enina izao no halan’i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana:
- 17Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina,
- 18Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,
- 19Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin’ny rahalahy.
- 20[Fananarana hankatò tsara ny ana-dray aman-dreny mba hifady ny fifangajangana] Anaka, tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.
- 21Afatory amin’ny fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao,
- 22Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao.
- 23Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan’aina ny anatra famaizana,
- 24Hiarovana anao amin’ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin’ny fandroboan’ny lelan’ny vahiny janga*. [Heb. lelam-bahiny]
- 25Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin’ny hodimasony izy.
- 26Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan’ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin’ny vadin’ny olona no mihaza ny aina soa.
- 27Mahatondra afo ao an-tratran’akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony?
- 28Misy mahadia vain’afo va, Ka tsy ho may ny tongony?
- 29Dia toy izany izay mankamin’ny vadin’ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.
- 30Tsy avelan’ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza;
- 31Fa* raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony.[Na: Ny olona tsy manome tsiny ny mpangalatra, noana; Nefa]
- 32Izay mijangajanga amin’ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany.
- 33Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin’ny tondro-molotra.
- 34Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin’ny andro hamaliany.
- 35Tsy handray vola ho enti-manalady* akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza.[Heb. avotra]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.