Ohabolana
<
Toko 13
- 1Ny zanaka hendry mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina mafy aza.
- 2Ny vokatry ny vavan’ny olona no ahazoany soa; Fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika.
- 3Izay mahambim-bava no miaro ny ainy*; Fa izay vavàna dia haringana.[Na: ny fanahiny]
- 4Ny fanahin’ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin’ny mazoto hohatavezina.
- 5Ny lainga dia halan’ny marina; Fa ny ratsy fanahy manao izay maharikoriko sy mahamenatra.
- 6Ny fahamarinana miaro izay mandeha tsy misy tsiny; Fa ny haratsiana mamotraka ny mpanota.
- 7Misy mihambo ho manan-karena, nefa tsy manana na inona na inona; Misy kosa mody malahelo, nefa manana harena be.
- 8Ny haren’ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory.
- 9Ny fahazavan’ny marina dia tsara firehitra*; Fa ny jiron’ny ratsy fanahy ho faty.[Heb. mifaly]
- 10Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin’ny mino anatra no misy fahendrena.
- 11Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.
- 12Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; Fa hazon’aina ny faniriana tanteraka.
- 13Izay manamavo ny teny ho voasingony*; Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.[Na: mahavery tena]
- 14Ny fampianaran’ny hendry dia loharanon’aina Ka mampivily tsy ho ao amin’ny fandriky ny fahafatesana.
- 15Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lalan’ny mpivadika.
- 16Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin’ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana;
- 17Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana*.[Na: fanasitranana]
- 18Fahalahelovana sy henatra no ho an’izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.
- 19Mamin’ny fo ny faniriana tanteraka*; Fa fahavetavetana eo imason’ny adala ny hiala amin’ny ratsy. [Na: efa mitranga]
- 20Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza*.[Na: ho ratsy]
- 21Ny mpanota dia enjehin’ny loza: Fa hovalian-tsoa ny marina.
- 22Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren’ny mpanota kosa voatahiry ho an’ny marina.
- 23Ny tanin’ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovan’izay tsy rariny.
- 24Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.
- 25Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon’ny ratsy fanahy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.