Ohabolana
Toko 18
- 1Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.
- 2Ny adala tsy mba finaritra amin’ny fahalalana, Fa ta-haneho izay ao am-pony.
- 3Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary miaraka amin’ny fahafaham-baraka ny henatra.
- 4Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon’ny fahendrena,
- 5Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin’ny fitsarana.
- 6Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka.
- 7Ny vavan’ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny.
- 8Ny tenin’ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
- 9Ary izay malaina amin’ny asany Dia rahalahin’ny mpanimba.
- 10Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy*.[Heb. atao amin’ny avo]
- 11Ny haren’ny manan-karena no vohiny mafy, Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany.
- 12Ny fireharehan’ny fon’ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
- 13Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany.
- 14Ny faharariany dia zakan’ny fanahin’ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?
- 15Ny fon’ny manan-tsaina mahazo fahalalana; Ary ny sofin’ny hendry mitady izany.
- 16Ny fanomezan’ny olona dia mahalalaka ny alehany, Hahatonga azy eo anatrehan’ny lehibe.
- 17Izay mandahatra aloha no toa marina; Fa nony avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny.
- 18Ny filokana mampitsahatra ady Ary mampisaraka ny samy mahery.
- 19Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin’ny lapan’ny mpanjaka.
- 20Ny vokatry ny vavan’ny olona no mahavoky soa azy; Eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy.
- 21Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain’ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.
- 22Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa Sady mahita sitraka amin’i Jehovah.
- 23Fitarainana no ataon’ny malahelo; Nefa ny manan-karena kosa dia mamaly mahery.
- 24Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana*; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.[Na: tsy maintsy hita fa ratsy]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.