Ohabolana
Toko 27
- 1Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso ianao; Fa na dia ny havoaky ny anio aza tsy fantatrao.
- 2Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao, Eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao.
- 3Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; Fa ny fahasosoran’ny adala dia manoatra noho izy roa tonta.
- 4Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; Fa iza no mahajanona eo anatrehan’ny fahasaro-piaro?
- 5Aleo anatra imaso Toy izay fitia afenina.
- 6Azo itokiana hahasoa ny fery ataon’ny sakaiza; Fa tena fitaka ny fanorohan’ny fahavalo.
- 7Hitsakitsahin’ny voky na dia ny toho-tantely aza; Fa mamin’ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra aza.
- 8Toy ny voron-kely miala amin’ny akaniny ka mirenireny, Dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin’ny fonenany.
- 9Ny diloilo sy ny zava-manitra mahafaly ny fo, Ary ny hamamin’ny sakaiza dia avy amin’ny ana-panahy ataony.
- 10Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, Ary aza mankany amin’ny tranon’ny rahalahinao amin’ny andro fahorianao; Fa tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra.
- 11Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, Mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.
- 12Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
- 13Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon’ny vahiny janga niantohany izy.
- 14Izay mifoha maraina koa ka misaotra ny sakaizany amin’ny feo mahery, Dia isaina ho fanozonana izany.
- 15Tahaka ny fijononoky ny ranonorana be Ny vehivavy tia ady.
- 16Izay misakana azy dia toy ny misakana ny rivotra, Sady toy ny mamihina* diloilo ny tànany ankavanana.[Na: mihatra amin’ny]
- 17Ny vy maharanitra ny vy, Toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ny sakaizany.
- 18Izay miaro aviavy dia hihinana ny voany; Ary izay miambin-tompo dia homem-boninahitra.
- 19Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin’ny tarehy, Dia toy izany no ifanahafan’ny fon’ny olona amin’ny an’olona.
- 20Ny fiainan-tsi-hita* sy ny fandringanana tsy mety voky, Dia toy izany no tsy ahamamoan’ny mason’ny olona.[Heb. Sheola]
- 21Ny memy ho an’ny volafotsy, Ny fandrendrehana ho an’ny volamena, Ary ny toetry ny olona dia tsy maintsy ho araka izay zavatra derainy.
- 22Na dia miara-totoinao ny fanoto amin’ny vary eo an-daona aza ny adala, Dia tsy mba hiala aminy tsy akory ny fahadalany.
- 23Fantaro tsara ny tarehin’ny ondry aman’osinao, Ary miahia tsara ny andian’ny bibinao;
- 24Fa ny harena tsy ho mandrakizay; Ary moa haharitra ho amin’ny taranaka rehetra va ny satro-boninahitra?
- 25Na dia lany aza ny ahitra, ka mitsiry ny solofony, Ary voataona ny zava-maniry any an-tendrombohitra,
- 26Ny zanak’ondry dia hahazoanao fitafiana, Ary ny osy hamidinao tany;
- 27Ary ho ampy hosotroinao ny rononon’osy Sy ho an’ny ankohonanao, Ary hisy hiveloman’ny ankizivavinao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.