Ohabolana
Toko 21
- 1Rano velona eo an-tànan’i Jehovah ny fon’ny mpanjaka, Ka tarihiny amin’izay tiany.
- 2Ataon’ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.
- 3Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak’i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.
- 4Ny fiandranandran’ny maso sy ny fiavonavon’ny fo Izay jiron*’ny ratsy fanahy dia ota.[Na: asan’]
- 5Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.
- 6Ny fahazoan-karena amin’ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an’izay mitady fahafatesana.
- 7Ny fitohatohan’ny ratsy fanahy hamongotra azy, Satria mandà tsy hanao izay marina izy.
- 8Miolikolika ny lalan’ny mavesa-keloka; Fa mahitsy ny ataon’ny madio.
- 9Aleo mitoetra eo an-joron’ny tampon-trano Toy izay hiray trano amin’ny vehivavy tia ady.
- 10Ny fanahin’ny ratsy fanahy maniry ny ratsy, Ka na dia ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony.
- 11Raha ampijalina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy.
- 12Ny Iray Marina no mandinika ny tranon’ny ratsy fanahy Ka mamarina azy ho amin’ny loza.
- 13Izay manentsin-tadiny amin’ny fitarainan’ny malahelo, Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina.
- 14Ny fanomezana mangingina mampionona ny fahatezerana, Ary ny kolikoly amin’ny takona mampitsahatra ny fahavinirana mafy.
- 15Fifalian’ny marina ny hanao araka ny rariny; Fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany.
- 16Ny olona izay mivily miala amin’ny lalan’ny fahendrena Dia hitoetra ao amin’ny fivorian’ny fanahin’ny maty.
- 17Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo, Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena.
- 18Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina, Ary ny mpivadika ho solon’ny mahitsy.
- 19Aleo mitoetra any an-efitra Toy izay amin’ny vehivavy tia ady sady foizina.
- 20Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin’ny tranon’ny hendry; Fa ny adala mandany azy.
- 21Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.
- 22Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany.
- 23Izay miambina ny vavany sy ny lelany Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana.
- 24Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona.
- 25Ny fanirian’ny malaina hahafaty azy, Satria ny tànany tsy mety miasa tsinona;
- 26Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.
- 27Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin’ny sain-dratsy no itondrany azy.
- 28Ho faty ny vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva.
- 29Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin’ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany.
- 30Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an’i Jehovah.
- 31Voaomana ny soavaly ho amin’ny andro iadiana; Fa an’i Jehovah ihany ny fandresena.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.