Ohabolana
Toko 4
- 1[Fananarana hikatsaka ny fahendrena tsy hikambana amin’ny mpanao ratsy] Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
- 2Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.
- 3Fa zanak’ikaky aho, Sady tiana* no hany malala teo imason’ineny.[Heb. malemilemy]
- 4Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.
- 5Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.
- 6Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao.
- 7Ny voaloham-pahendrena dia izao*: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.[Na: Fahendrena no ambony indrindra]
- 8Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao.
- 9Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.
- 10Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.
- 11Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin’ny lalana mahitsy aho.
- 12Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.
- 13Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.
- 14Aza mankany amin’ny alehan’ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin’ny lalan’ny ratsy.
- 15Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.
- 16Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.
- 17Fa mihinana ny mofon’ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain’ny fahalozàna.
- 18Fa ny lalan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.
- 19Ny alehan’ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
- 20Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
- 21Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.
- 22Fa aina ho an’ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra.
- 23Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian*’ny aina. [Heb. fivoahan’]
- 24Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.
- 25Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
- 26Ataovy marina ny* alehan’ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra;[Na: Saino tsara izay]
- 27Aza mivily, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia; Esory amin’ny ratsy ny tongotrao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.