Ohabolana
Toko 16
- 1Ny fikasan’ny fo no amin’ny olona; Fa ny famalian’ny lela dia avy amin’i Jehovah.
- 2Ataon’ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy.
- 3Ankino amin’i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.
- 4Ny zavatra rehetra nataon’i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin’ny andro hahitan-doza.
- 5Fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa* tsy maintsy hampijalina izy.[Heb. Azo ifandraisan-tanana; na: Hatramin’ny taranaka fara mandimby dia]
- 6Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra amin’ny heloka; Ary ny fahatahorana an’i Jehovah no analavirana ny ratsy.
- 7Raha sitrak’i Jehovah ny alehan’ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.
- 8Aleo ny kely omban’ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin’ny tsy rariny.
- 9Ny fon’ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.
- 10Ny teny marina dia eo amin’ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara.
- 11An’i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy* avokoa ireo vato rehetra an-kitapo.[Heb. Asany]
- 12Fahavetavetana eo imason’ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan’ny seza fiandrianana.
- 13Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany.
- 14Ny fahatezeran’ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany.
- 15Amin’ny fahamiramiranan’ny tarehin’ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin’ny fararano.
- 16Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.
- 17Ny manalavitra ny ratsy no lalamben’ny marina, Ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy*.[Na: fanahiny]
- 18Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.
- 19Tsara ny malemy fanahy ao amin’izay manetry tena Noho ny mizara babo amin’izay miavonavona.
- 20Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an’i Jehovah no ho sambatra.
- 21Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian’ny molotra mampandroso fahendrena.
- 22Loharanon’aina ny fahazavan-tsaina amin’izay manana izany; Fa ny famaizana ataon’ny adala dia fahadalana ihany.
- 23Ny fon’ny hendry mahahendry ny vavany Sady manampy fahendrena eo amin’ny molony.
- 24Toho-tantely ny teny mahafinaritra, Ka sady mamin’ny fanahy no mahatsara ny taolana.
- 25Misy lalana ataon’ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany.
- 26Ny fahanoanan’ny mpiasa dia mampiasa azy*, Fa ny tendany** no manesika azy.[*Heb. miasa ho azy][**Heb. vavany]
- 27Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana, Sady misy toy ny afo mahamay eo amin’ny molony.
- 28Ny mpivadibadika mamafy ady; Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza.
- 29Ny lozabe mitaona ny namany Ka mitarika azy amin’ny lalana tsy tsara.
- 30Izay manakimpy ny masony hieritreritra ny ratsy Sady manaikitraiki-molotra dia efa mikasa hanao ratsy.
- 31Satroboninahitra tsara tarehy ny volofotsy, Ao amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahazoana azy.
- 32Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.
- 33Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin’i Jehovah ihany no isehoan’ny fitsarany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.