Ohabolana
Toko 30
- 1[Ny tenin’i Agora] Ny teny mavesa-danja nataon’i Agora, zanak’i Jake*, dia ny teny nataon-dralehilahy tamin’Itiela, eny, tamin’Itiela sy Okala:[Na: Ny tenin’i Agora, zanak’i Jake, avy any Masa]
- 2Izaho dia biby*, fa tsy olona, Ary tsy manan-tsain’olombelona aho. [Na: Nanasa-tena aho, Andriamanitra ô, nanasa-tena aho, Andriamanitra ô, ka lany ny heriko fa tahaka ny biby aho]
- 3Tsy nianatra fahendrena aho, Na nahazo ny fahalalana ny Iray Masina.
- 4Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin’ny lambany? Iza no nahamisy ny faran’ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran’ny zanany? Fa toa fantatrao!
- 5Ny tenin’Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho an’izay mialoka aminy Izy.
- 6Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny ianao Ka ho hita fa mpandainga.
- 7Zavatra roa loha no angatahiko aminao; Ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho:
- 8Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; Aza manome ahy alahelo na harena; Fahano aho amin’izay anjara-hanina sahaza ho ahy;
- 9Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran’Andriamanitro.
- 10Aza manendrikendrika ny mpanompo amin’ny tompony, Fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka.
- 11Misy taranaka izay manozona ny rainy Sady tsy misaotra ny reniny.
- 12Misy taranaka manao azy ho madio, Kanjo tsy voasasa ho afaka amin’ny fahalotoany.
- 13Misy taranaka, endrey ny fiandrandran’ny masony Sy ny fisondrotry ny hodi-masony!
- 14Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, Ary toy ny antsy ny vazany, Hamongotra ny ory tsy ho amin’ny tany Sy ny malahelo tsy ho amin’ny olona.
- 15Ny dinta manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo, Omeo. Misy zavatra telo tsy mety voky, Eny, efatra aza no tsy manao hoe: Aoka izay:
- 16Ny fiainan-tsi-hita*; sy ny kibo momba, Ny tany izay tsy vonton-drano, Ary ny afo koa no tsy mba manao hoe: Aoka izay.[Heb. Sheola]
- 17Ny maso izay miandranandrana amin-dray Sady tsy mety manaja reny Dia hotsaingotsaingohin’ny goaika eny an-dohasahan-driaka Ary hohanin’ny zana-boromahery.
- 18Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, Eny, efatra aza no tsy fantatro:
- 19Ny nalehan’ny voromahery teny amin’ny habakabaka, Ny nalehan’ny bibilava teny amin’ny vatolampy, Ny nalehan’ny sambo teny amin’ny ranomasina, Ary ny nalehan’ny lehilahy tamin’ny tovovavy.
- 20Tahaka izany koa no fanaon’ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.
- 21Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany, Eny, zavatra efatra aza no tsy zakany;
- 22Raha ny andevo no tonga mpanjaka, Raha ny adala no voky hanina,
- 23Raha ny vehivavy lany zara* no ampakarina, Ary raha ny ankizivavy no mandova** ny tompovaviny.[*Heb. ankahalaina][**Na: mandimby]
- 24Izao zavatra efatra izao dia kely amin’ny etỳ ambonin’ny tany, Nefa hendry sady mahay:
- 25Ny vitsika dia firenena tsy matanjaka, Nefa manangona ny haniny amin’ny fahavaratra izy;
- 26Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery, Nefa manao ny tranony ao amin’ny harambato izy;
- 27Ny valala tsy manana mpanjaka, Nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara;
- 28Ny antsiantsy dia mandady amin’ny tànany*, Nefa tonga ao an-tranon’ny mpanjaka izy.[Na: azonao samborin-tanana]
- 29Misy zavatra telo izay tsara famindra, Eny, efatra aza no tsara fandeha;
- 30Dia ny liona, izay mahery indrindra amin’ny biby Ka tsy mihemotra na amin’inona na amin’inona,
- 31Ny soavaly voaomana hiady* sy ny osilahy Ary ny mpanjaka tsy azo toherina**. [*Heb. voafehy kibo][**Na: otronin’ny vahoakany]
- 32Raha adala ka nanandra-tena ianao, Na efa nisaina hanao ratsy, Dia tampeno ny tananao ny vavanao.
- 33Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.