Ohabolana
Toko 9
- 1[Ny fiantsoan’ny fahendrena sy ny fahadalana] Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy;
- 2Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa;
- 3Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon’ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe:
- 4Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin’izany tsy ampy saina dia hoy izy:
- 5Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko.
- 6Ilaozy ny* kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin’ny lalan’ny fahalalana.[Na: Mitsahara, ry]
- 7Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.
- 8Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
- 9Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.
- 10Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.
- 11Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.
- 12Raha hendry ianao, dia hendry ho an’ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan’izany.
- 13Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.
- 14Fa mipetraka eo am-baravaran’ny tranony izy, Ary amin’ny seza eny amin’ny fitoerana avo eo an-tanàna,
- 15Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin’ny alehany, ka manao hoe:
- 16Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin’izay tsy ampy saina dia hoy izy:
- 17Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin’ny fiafenana,
- 18Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin’ny halalin’ny fiainan-tsi-hita* ny olona nasainy.[Heb: Shoela]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.