Ohabolana
Toko 29
- 1Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.
- 2Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy.
- 3Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin’ny vehivavy janga dia mandany harena.
- 4Ny rariny no ampandrian’ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby* no mandrava azy kosa.[Na: mampandoa harena]
- 5Izay olona mandrobo ny namany Dia mamela-pandrika ny tongony.
- 6Misy fandrika amin’ny heloky ny olon-dratsy; Fa ny marina mihoby sy mifaly.
- 7Ny marina mihevitra ny adin’ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena.
- 8Ny mpaniratsira mampihotakotaka* ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana.[Heb. mampirehitra]
- 9Raha iadian’ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana*.[Na: Raha hendry miady amin’adala, na tezitra izy, na mihomehy, dia tsy misy fitsaharana]
- 10Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy*.[Na: Ary mitady ny ain’ny mahitsy]
- 11Ny fahatezeran’ny adala dia avoakany avokoa; Fa ny hendry kosa manindry fo.
- 12Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra.
- 13Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory*; Jehovah no manazava ny mason’izy roa tonta.[Na: mpampanana vola]
- 14Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany.
- 15Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.
- 16Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.
- 17Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian’ny fanahinao.
- 18Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin’izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra.
- 19Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny*.[Heb. tsy misy valiny]
- 20Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy.
- 21Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany.
- 22Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.
- 23Ny fiavonavonan’ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
- 24Izay miray tetika amin’ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.
- 25Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an’i Jehovah no hovonjena*.[Heb. hatao amin’ny avo]
- 26Maro no mila sitraka amin*’ny mpanapaka; Fa avy amin’i Jehovah ny fitsarana ny olona.[Heb. mitady ny tavan’]
- 27Ny meloka dia fahavetavetana eo imason’ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason’ny ratsy fanahy kosa.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.