Ohabolana
Toko 14
- 1Ny vehivavy hendry* dia samy manao ny tranony; Fa ny adala** kosa mandrava ny tranony amin’ny tànany.[*Heb. fahendren’ny vehivavy][**Heb. fahadalana]
- 2Mandeha mahitsy izay matahotra an’i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy.
- 3Eo am-bavan’ny adala misy tsorakazon’ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.
- 4Raha tsy misy omby, dia foana* ny fihinanam-bilona; Fa be ny fitomboan-karena azo amin’ny herin’ny omby.[Heb. madio]
- 5Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.
- 6Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.
- 7Mialà eo anatrehan’ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.
- 8Ny mitandrina ny alehany no fahendren’ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan’ny adala.
- 9Ny adala ihomehezan’ny fanati-panonerana*; Fa ao amin’ny marina no misy fankasitrahana.[Na: Ihomehezan’ny adala ny heloka]
- 10Ny fo no mahalala ny fangidian’ny alahelony; Ary tsy raharahan’ny olon-kafa ny hafaliany.
- 11Ravana ny tranon’ny ratsy fanahy; Fa ambinina ny lain’ny marina.
- 12Misy lalana ataon’ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany.
- 13Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, Ary ny faran’ny hafaliana dia alahelo.
- 14Ny mihemotra am-po dia ho voky ny alehany; Fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany.
- 15Ny kely saina mino ny teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.
- 16Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin’ny ratsy; Fa ny adala fatra-pirehareha* ka matokitoky foana.[Na: misafoaka]
- 17Izay malaky tezitra dia manao adaladala; Ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina.
- 18Ny kely saina dia handova fahadalana; Fa ny mahira-tsaina mahazo ny fahalalana ho satro-boninahiny*.[Na: mandray fahalalana]
- 19Ny ratsy fanahy miondrika eo anatrehan’ny tsara fanahy, Ary ny meloka dia eo am-bavahadin’ny marina.
- 20Ny malahelo dia halan’ny havany aza; Fa ny manan-karena no tian’ny maro.
- 21Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; Fa endrey ny fahasambaran’izay mamindra fo amin’ny ory!
- 22Tsy mivily va izay manao asa* ratsy? Fa famindram-po sy fahamarinana no ho an’izay manao asa** tsara. [*Na: misaina ny][**Na. misaina ny]
- 23Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.
- 24Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan’ny adala dia fahadalana ihany.
- 25Ny vavolombelona marina mamonjy ain’olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka.
- 26Ny fahatahorana an’i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana.
- 27Ny fahatahorana an’i Jehovah no loharanon’aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
- 28Ny fahabetsahan’ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; Fa ny havitsiany kosa no fietreny.
- 29Be saina izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.
- 30Ny fo mionona no fiainan’ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalò ny taolana.
- 31Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.
- 32Ny ratsy fanahy azera* noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin’ny fahafatesana aza.[Na: roahina]
- 33Mandry tsara ao am-pon’ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an’ny adala kosa dia miharihary.
- 34Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin’ny olona
- 35Ny fankasitrahan’ny mpanjaka dia amin’ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin’ny manao izay mahamenatra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.