Ohabolana
Toko 19
- 1Tsara ny malahelo mandeha tsy misy tsiny Noho izay mandainga amin’ny molony sady adala.
- 2Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana.
- 3Ny fahadalan’ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin’i Jehovah no sosotra ny fony.
- 4Ny harena mahamaro sakaiza; Fa ny malahelo afoin’ny sakaizany.
- 5Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala.
- 6Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin’izay mpanome zavatra.
- 7Ny malahelo dia halan’ny rahalahiny rehetra, Koa mainka fa ny sakaizany tsy hanalavitra azy va? Manandrandra amin’ny teny tsy misy* izy.[Heb. manenjika teny tsy misy]
- 8Izay mihary fahendrena no tia ny tenany, Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa.
- 9Ny vavolombelona mandainga tsy maintsy hampijalina, Ary ny miteny lainga ho very.
- 10Ny ho velona amin’ny fahafinaretana dia tsy tandrifiny ho an’ny adala, Koa mainka izay hanapahan’ny mpanompo ny zanak’andriana.
- 11Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany, Ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.
- 12Ny fahatezeran’ny mpanjaka dia toy ny fieron’ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin’ny ahitra.
- 13Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady ataon’ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva.
- 14Trano sy harena no lova avy amin’ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin’i Jehovah.
- 15Ny hakamoana mahasondrian-tory, Ary ho mosarena ny olona malaina.
- 16Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy*; Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.[Na: ny fanahiny]
- 17Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa.
- 18Faizo ny zanakao, fa mbola misy azo antenaina ihany, Nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy.
- 19Ny lozabe tsy maintsy hampijalina; Ary na dia vonjenao aza izy, dia mbola hanahirana anao ihany indray.
- 20Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, Mba ho hendry ianao amin’izay hiafaranao*.[Na: any aoriana]
- 21Maro ny hevitra ao am-pon’ny olona; Fa ny fisainan’i Jehovah no haharitra.
- 22Fifaliana amin’ny olona ny manisy soa; Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.
- 23Ny fahatahorana an’i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza.
- 24Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin’ny tànany, Nefa ny mampakatra azy ho amin’ny vavany dia tsy zakany.
- 25Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy.
- 26Izay mitohatoha amin-drainy sy mandroaka ny reniny Dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka.
- 27Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra Izay mampanalavitra anao ny tenin’ny fahalalana*.[Na: Anaka, raha dia minia manalavitra ny tenin’ny fahalalana ianao, Dia mitsahara tsy hihaino anatra]
- 28Ny vavolombelona ratsy maniratsira ny fitsarana; Ary ny vavan’ny ratsy fanahy mitelina ny ratsy.
- 29Vonona ho amin’ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin’ny lamosin’ny adala.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.