Ohabolana
Toko 20
- 1Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon’izany dia tsy hendry.
- 2Ny fampitahoran’ny mpanjaka dia toy ny fieron’ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin’ny ainy,
- 3Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka.
- 4Ny malaina tsy mety miasa amin’ny ririnina*, Ka dia hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo.[Na: noho ny ririnina; na: noho ny haben’ny vokatra]
- 5Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona; Fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany,
- 6Maro ny olona samy midera ny soa ataon’ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy?
- 7Izay olona marina mandeha amin’ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy.
- 8Mipetraka eo amin’ny seza fitsarana ny mpanjaka, Ka mikororoka manaisotra ny ratsy rehetra ny masony.
- 9Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka madio tsy manana ota?
- 10Ny vato mizana samy hafa sy ny vata famarana samy hafa Dia samy fahavetavetana eo imason’i Jehovah.
- 11Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin’ny fanaony Na madio sy mahitsy ny fitondran-tenany.
- 12Ny sofina mandre sy ny maso mahita Dia samy nataon’i Jehovah avokoa.
- 13Aza tia torimaso ianao, fandrao tonga malahelo; Ahirato ny masonao, dia ho voky hanina ianao.
- 14Ratsy! ratsy! hoy ny mpividy; Kanjo nony lasa izy, dia mandoka tena.
- 15Ao ihany ny volamena sy ny voahangy* betsaka; Fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa.[Na: perla]
- 16Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon’ny vahiny* niantohany.[Na: vahiny janga]
- 17Mamin’ny olona ny hanina azo amin’ny fitaka; Kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany.
- 18Ny hevitra rehetra dia aorin’ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady.
- 19Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina, Koa aza miraharaha amin’izay mibedibedy foana.
- 20Izay manozona ny rainy na ny reniny, Dia ho faty ao amin’ny alim-pito ny jirony.
- 21Ny harena malaky azo foana* eo am-boalohany Dia tsy hotahina any am-parany.[Na: mahamahimahina]
- 22Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho; Fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao.
- 23Fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny vato samy hafa, Ary ny mizana mandainga dia tsy tsara.
- 24Avy amin’i Jehovah ny dian’ny olona, Ary hataon’izay olombelona ahoana no hahafantatra ny lalany?
- 25Fandrika amin’ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masina ity; Ka nony vita ny voady, vao mamototra.
- 26Ny mpanjaka hendry mikororoka manaisotra ny ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo amboniny.
- 27Jiron’i Jehovah ny fanahin’ny olona, Itsilovana ny efitrefitra rehetra ao am-po.
- 28Famindram-po sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka, Ary ampitoeriny amin’ny famindram-po ny seza fiandrianany.
- 29Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, Ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy.
- 30Ny fampangirifiriana* dia mahafaka ny faharatsiana, Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao an-kibo.[Heb. ratra avy amin’ny kapoaka]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.