Ohabolana
Toko 26
- 1Toy ny oram-panala amin’ny lohataona, Ary toy ny ranonorana amin’ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny voninahitra tsy tandrifiny ho an’ny adala.
- 2Toy ny vorona mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany.
- 3Ny karavasy ho amin’ny soavaly ny lamboridy ho amin’ny boriky, Ary ny tsorakazo kosa ho amin’ny lamosin’ny adala.
- 4Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, Fandrao mba adala tahaka azy koa ianao.
- 5Valio ny adala araka ny hadalany, Fandrao dia manao azy ho hendry izy
- 6Manapaka ny tongony sady misotro loza Izay mampitondra teny ny adala.
- 7Mikepikepika ny tongotry ny malemy tongotra, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan’ny adala.
- 8Toy ny manisy vato eo amin’ny antsamotady, Dia toy izany ny manome voninahitra ny adala.
- 9Toy ny tsilo eny an-tànan’ny olona mamo, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan’ny adala.
- 10Ny mpiasa mahay dia mahavita ny zavatra isan-karazany; Fa izay manakarama ny adala dia toy ny manakarama izay sendra mandalo*.[Na: Toy ny mpandefa zana-tsipìka mahavoa ny olona rehetra, Dia toy izany ny manakarama ny adala sy manakarama izay sendra mandalo]
- 11Toy ny amboa miverina amin’ny loany, Dia toy izany ny adala miverina amin’ny hadalany.
- 12Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy.
- 13Hoy ny malaina: Misy liona any an-dalana, Misy liona atsy an-dalambe.
- 14Toy ny varavarana mihodina amin’ny saviliny, Dia toy izany ny kamo eo amin’ny fandriany,
- 15Ny malaina mangarona ny eo an-doviany, Nefa ny hampakatra azy ho amin’ny vavany dia mahasasatra azy.
- 16Ny kamo manao ny tenany ho hendry mihoatra noho ny olona fito izay mahavaly tsara.
- 17Izay mandalo ka mitsaraingona amin’ny ady tsy azy Dia mandroritra amboa amin’ny sofiny.
- 18Toy ny adala izay manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana,
- 19Dia toy izany ny olona mamitaka ny namany ka manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko?
- 20Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; Ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana.
- 21Toy ny arina atao amin’ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin’ny afo, Dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra fifandirana.
- 22Ny tenin’ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
- 23Tavim-bilany misy ankosotra taim-bolafotsy ny molotra mihatsaravelatsihy* sy ny fo ratsy.[Heb. mirehitra]
- 24Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin’ny molony Sady manafim-pitaka ao am-pony;
- 25Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; Fa fahavetavetana fito no ao am-pony.
- 26Ny lolompo dia miafina ao amin’ny fitaka; Nefa ny haratsiany dia haharihary eo am-pahibemaso.
- 27Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, Ary izay manakodiadia vato no hikodiavany kosa.
- 28Halan’ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.