Ohabolana
Toko 23
- 1Raha mipetraka hiara-komana amin’ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao*,[Na: anoloanao]
- 2Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra ianao.
- 3Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany.
- 4Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin’izany ny fahendrenao.
- 5Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ny lanitra.
- 6Aza homana ny mofon’izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;
- 7Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao.
- 8Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.
- 9Aza miteny amin’91 ny adala;Fa hohamavoiny foana ny fahendren’ny teninao.[Heb. an-tsofin’]
- 10Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin*’ny sahan’ny kamboty;[Heb. miditra amin’]
- 11Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin’ny adiny aminao.
- 12Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.
- 13Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza*; [Na: Fa tsy ho faty izy, raha asianao ny hazo]
- 14Raha mamely azy amin’ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin’ny fiainan-tsi-hita* ny fanahiny.[Heb. Sheola]
- 15Anaka, raha hendry ny fonao,Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko;
- 16Eny, ho ravoravo ny fanahiko*, Raha miteny marina ny molotrao.[Heb. voako]
- 17Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an’i Jehovah mandritra ny andro;
- 18Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.
- 19Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin’ny lalana ny fonao.
- 20Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena;
- 21Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.
- 22Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.
- 23Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
- 24Hifaly dia hifaly ny rain’ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy.
- 25Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.
- 26Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako*;[Na: Ary aoka ny masonao handinika ny lalako]
- 27Fa ny vehivavy jejo* dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ; [Heb. vehivavy tsy vadiny]
- 28Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.
- 29An’iza ny Indrisy? An’iza ny Endrey? An’iza ny fifandirana? An’iza ny fitolokoana? An’iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’iza ny maso mivoara-mena*? [Na: manjambena]
- 30An’izay mikikitra amin’ny divay, Eny, an’izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.
- 31Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy* Ary ny fikoriany mahafinaritra;[Heb. kapoaka]
- 32Fa amin’ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana.
- 33Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo*, Ary ny fonao hieritreri-dratsy**.[*Heb. vehivavy tsy vadiny][**Na: Ny masonao hahita zavatra hafahafa, Ary ny fonao hirediredy foana]
- 34Eny, ho sahala amin’izay mandry ao amin’ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ny andrin-tsambo.
- 35Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.