Ohabolana
Toko 25
- 1[Ohabolana samy hafa ny amin’ny fitondran-tena sy ny toetry ny olona marina] Izao koa no ohabolan’i Solomona, izay nangonin*’ny olon’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda:[Heb. nafindran’]
- 2Voninahitr’Andriamanitra ny manafin-javatra; Fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra.
- 3Ny hahavon’ny lanitra sy ny halalin’ny tany Ary ny fon’ny mpanjaka dia samy tsy azo fantarina avokoa.
- 4Esory ny taim-bolafotsy, Dia hisy fanaka ho an’ny mpanao an-idina.
- 5Esory ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan’ny mpanjaka, Dia hampitoerina amin’ny fahamarinana ny seza fiandrianany.
- 6Aza manandra-tena eo anatrehan’ny mpanjaka, Ary aza mitoetra eo amin’ny fitoeran’ny lehibe;
- 7Fa aleo ianao hantsoina hoe: Miakara atỳ, Toy izay hatambotsotra eo imason’ny manan-kaja izay hitan’ny masonao.
- 8Aza maika handeha hiady, Fandrao tsy ho fantatrao izay hataonao amin’ny farany, Rehefa omen’ny namanao henatra ianao.
- 9Miadia ihany ny adinao amin’ny namanao, Kanefa aza aseho izay tsy tian’ny sasany holazaina,
- 10Fandrao izay mandre hanondro maso anao, Ka tsy ho afaka aminao ny laza ratsy.
- 11Ny teny atao amin’ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra*.[Na: poma volamena misy ravaka volafotsy]
- 12Kavim-bolamena sy firavaka volamena tsara Ny mpananatra hendry, raha amin’ny sofina mihaino.
- 13Toy ny hatsiaky ny oram-panala amin’ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny iraka mahatoky amin’izay naniraka azy, Fa mamelombelona ny fon’ny tompony izy.
- 14Toy ny rahona sy ny rivotra tsy misy orana Ny olona izay mirehaka amin’ny fizaram-bava.
- 15Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitsara, Ary ny vava* malefaka mahatapa-taolana.[(Heb. lela]
- 16Mahita tantely va ianao? Hano izay antonona anao, Fandrao voky loatra ianao ka handoa azy.
- 17Aza miditra matetika ao an-tranon’ny namanao, Fandrao tofoka anao izy, ka ho halany ianao.
- 18Langilangy sy sabatra ary zana-tsipìka maranitra Ny olona izay mitsangana ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namany.
- 19Toy ny nify nahasimatsimahana sy ny tongotra mangozohozo Ny fahatokiana ny mpamitaka amin’ny andro fahoriana.
- 20Toy ny miala lamba amin’ny hatsiaka, Ary toy ny vinaingitra amin’ny sirahazo, Dia toy izany ny mikalo amin’ny malahelo am-po.
- 21Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; Ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;
- 22Fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany, Ary Jehovah no hamaly soa anao.
- 23Ny rivotra avy any avaratra mahatonga ranonorana, Dia toy izany, ny lelan’ny mpifosa mampahavinitra endrika.
- 24Aleo mitoetra eo an-joron’ny tampontrano Toy izay miray trano amin’ny vehivavy tia ady.
- 25Rano mangatsiaka amin’ny fanahy reraka Ny filazana soa avy any an-tany lavitra.
- 26Loharano voahosihosy sy fantsakana simba Ny marina izay mikoy ny ratsy fanahy,
- 27Tsy tsara raha mahery homana tantely; Fa ny fitadiavan’ny olona ny voninahiny dia tsy voninahitra*.[Na: Fa ny fandinihana izay sarotra dia voninahitra (na: mavesatra)]
- 28Tanàna rava tsy misy manda Ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.