Ohabolana
Toko 5
- 1[Fananarana tsy hijejojejo] Anaka, tandremo ny fahendreko, Ary atongilano ny sofinao ho amin’ny fahalalako,
- 2Hiheveranao tsara ny fisainana mazava Sy hitandreman’ny molotrao ny fahalalana.
- 3Fa ny molotry ny vehivavy jejo* dia mitete toy ny tantely avy amin’ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo;[Heb. vehivavy tsy vadiny]
- 4Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.
- 5Ny tongony midina ho any amin’ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin’ny fiainan-tsi-hita*. [Heb. Sheola]
- 6Tsy mahazo mandia ny lalan’aina mihitsy izy, Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany.
- 7Koa mihainoa ahy, ry zanaka, Ary aza miala amin’ny teny aloaky ny vavako.
- 8Ampanalaviro azy ny alehanao, Ary aza manakaiky ny varavaran’ny tranony;
- 9Fandrao omenao ho an’ny sasany ny voninahitrao, Ary ny taonanao ho an’izay lozabe;
- 10Fandrao hivokisan’ny vahiny ny fanananao; Ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon’ny vahiny;
- 11Ka dia hitoloko ianao any am-parany, Raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao;
- 12Dia hanao hoe ianao: Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny foko,
- 13Ka tsy nihaino ny tenin’ny mpanoro hevitra ahy, Ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy?
- 14Efa saiky azon’ny ratsy rehetra aho Tao amin’ny fiangonana sy ny fivoriana.
- 15Misotroa rano avy amin’ny lavaka famorian-dranonao ihany Sy rano miboiboika avy amin’ny fantsakanao.
- 16Hipasaka eny ivelany va ny rano avy amin’ny loharanonao, Ary eny an-dalambe ny rano velonao?
- 17Aoka ho anao irery ihany izany, Fa aza iombonana amin’ny hafa.
- 18Aoka hotahina ny loharanonao, Ary mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao.
- 19Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin’ny fitiavany ianao.
- 20Nahoana ianao, anaka, no ho renoka amin’ny fitiavana vehivavy jejo* Ka hanohona ny tratran’ny vahiny janga? [Heb. vehivavy tsy vadiny]
- 21Fa eo imason’i Jehovah ny alehan’ny olona, Ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa.
- 22Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin’ny fahotany no itanana azy
- 23Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben’ny fahadalany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.