Ohabolana
Toko 22
- 1Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.
- 2Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta.
- 3Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
- 4Ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana.
- 5Tsilo sy fandrika no amin’ny alehan’ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany.
- 6Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.
- 7Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon’ny mampisambotra.
- 8Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon’ny fahatezerany.
- 9Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an’ny malahelo ny haniny.
- 10Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.
- 11Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan’ny mpanjaka izy.
- 12Ny mason’i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin’ny mpivadika dia foanany.
- 13Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho fatin’ny sasany any an-dalambe aho.
- 14Ny vavan’ny vehivavy jejo* dia lavaka lalina; Izay voaozon’i Jehovah no ho latsaka ao.[Heb. vehivavy tsy vadiny]
- 15Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.
- 16Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an’ny manana kosa dia mampihena ny hareny.
- 17[Ohabolana ny amin’ny fahamarinana sy ny fitondran-tenan’ny hendry] Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin’ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao;
- 18Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin’ny molotrao.
- 19Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin’i Jehovah.
- 20Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana,
- 21Mba hampahafantariko ny fahamarinan’ny teny mahatoky ianao, Sy hahazoanao teny holazaina amin’izay naniraka anao?
- 22Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady;
- 23Fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin’ny adiny. Ary hanimba ny ain’izay manimba azy.
- 24Aza misakaiza amin’ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin’ny olona foizina,
- 25Fandrao ianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an’ny ainao.
- 26Aza mety ho isan’ny mifandray tanana, Na izay mianto-trosa;
- 27Raha tsy manan-kaloa ianao, Nahoana no dia halainy ny lafika andrianao?
- 28Aza manakisaka ny fari-tany ela, Izay naorin’ny razanao.
- 29Mahita olona mailaka amin’ny raharahany va ianao? Eo anatrehan’ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan’ny olona ambany izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.