Mpitoriteny
Toko 1
- 1[Fitarihan-teny milaza ny maha-zava-poana ny zavatra rehetra] Ny tenin’i Mpitoriteny, zanak’i Davida, mpanjaka tany Jerosalema.
- 2Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!
- 3Inona no soa azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin’ny masoandro?
- 4Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.
- 5Ny masoandro koa miposaka ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin’ny fitoerana izay niposahany.
- 6Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray.
- 7Ny renirano rehetra dia samy mankamin’ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin’izay falehan’ny renirano ihany no iverenany indray.
- 8Maivana* ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza**; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino.[*Heb. Feno fahasasarana][**Na: Feno fahasasarana ny zavatra rehetra ka tsy hain’ny olona lazaina]
- 9Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin’ny masoandro.
- 10Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin’ny andro talohantsika ihany izany.
- 11Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan’izay handimby azy.
- 12[Ny tsy ahitana fahafaham-po, na dia amin’ny fitadiavam-pahendrena aza] Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan’ny Isiraely tany Jerosalema;
- 13ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ny lanitra; asa mahareraka omen’Andriamanitra hisasaran’ny zanak’olombelona izany.
- 14Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra* foana izany rehetra izany.[Na: Homan-drivotra]
- 15Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina*.[Na: ny tsi-fahampiana dia tsy tambo isaina]
- 16Hoy izaho tamin’ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.
- 17Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra* foana koa izany,[Na: Homan-drivotra]
- 18satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.