Mpitoriteny
Toko 4
- 1[Ny manjo ny olona noho ny fampahorian’ny sasany azy, sy ny lolom-po, sy ny fitoerany irery ary ny ataon’ny mpitondra azy] Dia hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin’ny masoandro; ary indro ny ranomason’ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon’ny tanan’ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.
- 2Ary ny maty izay efa maty ela dia nataoko ho sambatra noho ny velona izay mbola velona,
- 3nefa tsara indray noho izy roa tonta aza ny tsy ary, izay tsy nahita ny ratsy atao atỳ ambanin’ny masoandro akory.
- 4Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin’ny fifampialonan’ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra* foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]
- 5Ny adala manohon-tanana ka homana ny tenany.
- 6Tsara ny eran-tànan’ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana* sady misambo-drivotra** foana.[*Na: Tsara ny fiadanana eran-tànan’ila noho ny fisasarana,][**Na: Homan-drivotra]
- 7Ary izao koa no zava-poana hitako atỳ ambanin’ny masoandro:
- 8Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin’ny harena, hanaovany hoe: Ho an’iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.
- 9Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.
- 10Raha misy lavo izy, dia arenin’ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.
- 11Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafana ny irery?
- 12Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.
- 13Aleo zatovo malahelo hendry toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony;
- 14fa avy ao an-tranomaizina no nivoahany hanjaka, na dia nateraka tamin’alahelo tamin’ny fanjakany aza izy*. [na: fa na dia nateraka tamin’ny fanjakany aza izy, dia tamin’alahelo ihany]
- 15Hitako ny miaina rehetra izay miriaria atỳ ambanin’ny masoandro manotrona ilay zazalahy dia ilay faharoa izay mitsangana handimby ny teo.
- 16Tsy hita isa ny olona rehetra, dia izay rehetra anjakany; nefa izay any aoriana tsy mba hifaly aminy; fa zava-poana sy misambo-drivotra* foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]
- 17[Ny mety hatao amin’Andriamanitra na amin’ny fivavahana na amin’ny voady] Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon’Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran’ny adala fanatitra; fa tsy fantatr’ireny ho manao ratsy izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.