Mpitoriteny
Toko 8
- 1Iza no toy ny hendry? Ary iza no mahalala izay anton-javatra? Ny fahendren’ny olona mahamiramirana ny tarehiny, ary voaova ny fahadontoan’ny endriny.
- 2Hoy izaho: Tandremo ny didin’ny mpanjaka noho ny efa nianianana tamin’Andriamanitra.
- 3Aza malaky miala eo anatrehany; aza mikikitra amin’ny fanaovan-dratsy; fa na inona na inona sitrany dia azony atao avokoa;
- 4fa ny tenin’ny mpanjaka dia misy hery, ka iza no mahazo manao aminy hoe: Inona no ataonao?
- 5Izay mitandrina ny didy tsy mba mikambana* amin’ny fanaovan-dratsy; ary ny fon’ny hendry dia mahalala fotoana sy fitsarana;[Heb. mahalala]
- 6fa samy manana ny fotoany sy ny fitsarana azy avy ny hevitra rehetra, satria efa be ny heloky* ny olona.[Na: fahorian’]
- 7Fa tsy mahafantatra izay ho avy izy; fa iza no hampahafantatra azy izay hihaviany?
- 8Tsy misy olona manan-kery hahatana ny ainy, na manan-kery ny amin’ny andro hahafatesana; ary tsy misy fahafahana amin’ny ady, ary ny ratsy fanahy tsy ho voavonjin’ny faharatsiany.
- 9Izany rehetra izany dia efa hitako avokoa tamin’ny nampiasako ny foko nandinika ny asa rehetra atao atỳ ambanin’ny masoandro. Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.
- 10Ary tamin’izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina ka tafiditra; fa izay nanao ny marina kosa dia lasa niala tamin’ny fitoeran’ny masina ka nohadinoina tao an-tanàna*; zava-poana koa izany.[Na: ary tafiditra izy ka niala tamin’ny fitoeran’ny masina, ary nohadinoin’ny tao an-tanàna izay efa nanaovany izany]
- 11Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ny fon’ny zanak’olombelona amin’ny fanaovan-dratsy.
- 12Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’izay matahotra an’Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany.
- 13Fa tsy hisy soa ho an’ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy matahotra eo anatrehan’Andriamanitra.
- 14Izao koa no zava-poana izay atao atỳ ambonin’ny tany: Misy olo-marina iharan’izay tokony ho valin’ny asa ratsy; ary misy olo-meloka mahazo izay tokony ho valin’ny asa marina; hoy izaho: Zava-poana koa izany.
- 15Dia noderaiko ny fifaliana, satria tsy misy mahasoa ny olona atỳ ambanin’ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo, ka hisy izany amin’ny fisasarany mandritra ny andro hiainany, izay nomen’Andriamanitra azy atỳ ambanin’ny masoandro.
- 16[Ny tsi-fahatakaran’ny saina ny fitondran’Andriamanitra, sy ny tokony hifaliana amin’izay soa hita ary hahazotoana amin’izay rehetra azo atao] Raha nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahita ny raharaha atao atỳ ambonin’ny tany (fa misy tsy mahita torimaso na andro na alina),
- 17dia hitako avokoa ny asan’Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain’ny olona ny asa atao atỳ ambanin’ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany; eny, na ny hendry aza no manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina akory.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.