Mpitoriteny
Toko 2
- 1[Ny maha-zava-poana ny fahafinaretana sy ny voninahitra momba izao fiainana izao, na dia omban’ny fahendrena aza] Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin’ny hafaliana ianao, ka dia mifalia amin’ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany.
- 2Hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona?
- 3Nisaina tato am-poko hamalifaly ny nofoko tamin’ny divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy amin’ny fahendrena ihany) ary hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an’ny zanak’olombelona ka tokony hataony atỳ ambanin’ny lanitra amin’ny andro vitsy iainany.
- 4Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanim-boaloboka,
- 5nanao tanimboly sy saha aho ka namboly hazo fihinam-boa samy hafa karazana tao;
- 6nanao kamory aho handemana ny ala be zana-kazo;
- 7nahazo ankizilahy sy ankizivavy aho sady nanana ompikely; ary nanana fananana be aho, dia omby sy ondry aman’osy mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.
- 8Nihary volafotsy sy volamena koa aho ary fanaka tsara fananan’ny mpanjaka sy izay avy amin’ny tany samy hafa; ary nahazo mpihiralahy sy mpihiravavy aho mbamin’izay mahafinaritra ny zanak’olombelona, dia vady sy vaditsindrano betsaka*. [Na: fahafinaretan’ny zanak’olombelona be dia be]
- 9Dia efa nisandratra mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; ary ny fahendreko anefa dia mbola tato amiko ihany.
- 10Ary na inona na inona nirin’ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin’izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin’ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin’ny fisasarako rehetra.
- 11Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra* foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin’ny masoandro.[Na: Homan-drivotra]
- 12[Ny fihoaran’ny fahendrena noho ny fahadalana, ary ny mahatsara ny fiononana, na dia hita aza fa misy zavatra maro itovian’ny hendry sy ny adala] Ary nitodika aho hijery ny fahendrena sy ny fahaverezan-tsaina ary ny fahadalana; fa inona no hataon’ny olona izay handimby ny mpanjaka? Izay efa natao hatramin’ny ela ihany.
- 13Dia hitako fa ny fahendrena dia tsara* noho ny fahadalana, toy ny fahatsaran**’ny mazava noho ny maizina.[*Heb. mihoatra][**Heb. fihoaran’]
- 14Ny mason’ny hendry dia eo an-dohany; fa ny adala kosa mandeha amin’ny maizina; nefa hitako fa mitovy ihany ny manjo azy roa tonta.
- 15Dia hoy izaho anakampo: Mitovy amin’ny manjo ny adala ihany ny manjo ahy, koa nahoana ary no nanan-tombom-pahendrena aho? Dia hoy izaho anakampo: zava-poana koa izany.
- 16Fa samy tsy misy fahatsiarovana mandrakizay na ny hendry na ny adala; fa amin’ny andro ho avy dia samy ho hadino ela izy. Indrisy! samy ho faty na ny adala na ny hendry.
- 17Dia efa halako ny aina, satria nataoko ho ratsy ny asa atao atỳ ambanin’ny masoandro; fa zava-poana sy misambo-drivotra* foana izy rehetra.[Na: Homan-drivotra]
- 18Eny, efa halako ny fisasarako rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin’ny masoandro, fa havelako ho an’ny olona izay handimby ahy izany,
- 19ary iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa izy no ho tompon’izay rehetra nisasarako sy nataoko tamin’ny fahendreko tatỳ ambanin’ny masoandro. Zava-poana koa izany.
- 20Dia nitodika aho hampamoy ny foko amin’ny fahakiviana ny amin’ny fisasarana rehetra izay nisasarako tatỳ ambanin’ny masoandro.
- 21Fa misy olona izay misasatra amin’ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin’izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa izany.
- 22Fa inona no azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra sy amin’ny fikatsahan’ny fony, izay nisasarany tatỳ ambanin’ny masoandro?
- 23Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin’ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.
- 24Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin’ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin’ny tànan’Andriamanitra* [Na: Tsy misy tsara amin’ny olona. Ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenanay amin’ny fisasaranay dia hitako fa avy amin’ny tànan’Andriamanitra koa]
- 25(fa iza no mahalany, ary iza no mahazo manaram-po mihoatra noho izaho?).
- 26Fa ny olona izay ankasitrahan’Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan’Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra* foana koa izany.[Na: Homan-drivotra]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.