Mpitoriteny
Toko 7
- 1[Ohabolana samy hafa ny amin’ny mahasoa ny olombelona] Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.
- 2Tsara ny mankamin’ny trano misy fisaonana noho ny mankamin’ny trano misy fanasana; fa ho amin’iny no hiafaran’ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.
- 3Tsara ny alahelo noho ny hehy; fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety tsara* ihany ny fo.[Na: faly]
- 4Ny fon’ny hendry dia ao amin’ny trano misy fisaonana; fa ny fon’ny adala kosa dia ao amin’ny trano misy fifaliana.
- 5Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon’ny hendry noho ny mihaino ny hiran’ny adala.
- 6Toy ny firefodrefotry ny tsilo eo ambanin’ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan’ny adala; zava-poana koa izany.
- 7Fa ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry; ary ny kolikoly mahasimba ny fo.
- 8Tsara ny iafaran’ny raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavanavom-panahy.
- 9Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.
- 10Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin’ny fahendrena no anontanianao izany.
- 11Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa ho an’izay mahita masoandro izany.
- 12Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.
- 13Saino ny asan’Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony ho meloka?
- 14Amin’ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin’ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin’Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan’ny olona akory izay ho avy any aoriany.
- 15Izao rehetra izao dia efa hitako tamin’ny androko mandalo foana: misy marina maty amin’ny hamarinany; ary misy meloka ela velona amin’ny haratsiany.
- 16Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao?
- 17Aza ratsy loatra ianao, ary aza adala; nahoana no ho faty ianao, raha tsy efa tonga ny andronao?
- 18Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin’itsy; fa izay matahotra an’Andriamanitra dia ho afaka amin’izany rehetra izany.
- 19Ny fahendrena no maharo ny hendry mihoatra noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna.
- 20Fa tsy misy olona marina ambonin’ny tany izay manao tsara ka tsy manota.
- 21Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao;
- 22fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa.
- 23Izany rehetra izany dia notsapaiko tamin’ny fahendrena. Hoy izaho: Ho hendry aho; kanjo lavitra ahy izany.
- 24Eny, izay rehetra lavitra sady lalina dia lalina, iza no mahatakatra azy?
- 25Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina;
- 26ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany; nefa izay ankasitrahan’Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony.
- 27Indro, izany no hitako, hoy Mpitoriteny, raha nandinidinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitana izay antony.
- 28Izay notadiaviko koa, fa tsy hitako, dia izao: lehilahy iray no hitako ho marina tao amin’ny arivo; fa tao amin’ny vehivavy arivo* dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza.[Heb. teo amin’ireo dia tsy nisy vehivavy hitako,etc]
- 29Indro, izao ihany no hitako: nataon’Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.