Mpitoriteny
Toko 10
- 1Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.
- 2Ny fon’ny hendry dia eo ankavanany; fa ny fon’ny adala kosa dia eo ankaviany.
- 3Ary koa, raha mandeha eny an-dalambe ny adala, dia levona ny fahalalany, ka milaza tena amin’ny olona rehetra izy fa adala.
- 4Raha tezeran’ny mpanapaka ianao, aza miala amin’ny fitoeranao; fa ny fahatsindriam-po mahasakana ny fahadisoana lehibe.
- 5Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin’ny masoandro, ka toa fahadisoana ataon’ny mpanapaka izany;
- 6Asandratra ho ambony indrindra ny adala, ary ny mpanankarena mipetraka eo amin’ny toerana ambany.
- 7Efa hitako ny mpanompo mitaingin-tsoavaly, ary ny mpanapaka kosa mandeha an-tongotra toy ny mpanompo.
- 8Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, ary izay mandrava fefy vato no hokekerin’ny menarana.
- 9Izay manovoka vato dia haratrany, ary izay mamaky hazo no ho voany.
- 10Raha dombo ny antsy ka tsy asainy, dia tsy maintsy manao an-teninaina izy; fa ny fahendrena no mahasoa, satria mahalavorary ny raharaha izany.
- 11Raha manaikitra ny menarana, satria tsy mbola nasiana ody, dia ahoana no mahatsara ny mpanao ody?
- 12Soa ny teny aloaky ny vavan’ny hendry; fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany.
- 13Ny fiandohan’ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran’ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.
- 14Maro teny ny adala nefa tsy misy olona mahalala izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy any aoriany?
- 15Ny fisasaran’ny adala mahareraka azy, fa ny lalana mankany an-tanàna aza tsy fantany akory.
- 16Lozanao, ry tany, raha zaza no mpanjakanao, ary ny lehibenao homa-maraina!
- 17Sambatra kosa ianao, ry tany, raha tena karazan’andriana no mpanjakanao, ary ny lehibenao homana amin’izay fotoana mety, mba hampahatanjaka ny tenany, fa tsy ny hampahamamo azy!
- 18Ny fahalainana be no mampianjera ny lohatrano, ary ny hakamoan’ny tanana no mampitete ny trano.
- 19Ataony laolao ny hanina, ary ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no hahazoana ny zavatra rehetra.
- 20Aza manozona ny mpanjaka na dia amin’ny eritreritrao aza; ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin’ny efi-trano fandrianao aza; fa na dia ny voro-manidina aza anie ka hitondra ny feo, ary na dia ny manana elatra dia hanambara ny teny.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.