Mpitoriteny
Toko 5
- 1Aza haingam-bava, ary aza malaky manonona teny eo anatrehan’Andriamanitra ny fonao; fa Andriamanitra dia any an-danitra ary ianao etỳ an-tany, koa aoka ho vitsy ny teninao.
- 2Fa ny haben’ny fisasarana no mahatonga ny nofy; ary ny haben’ny teny no isehoan’ny rediredin’ny adala.
- 3Raha mivoady amin’Andriamanitra ianao, aza manao ampitso lava: fa tsy ankasitrahany ny adala; koa efao ny voadinao.
- 4Aleo tsy mivoady toy izay mivoady ka tsy mahefa.
- 5Aza avela hahatonga heloka amin’ny tenanao ny vavanao; ary aza manao eo imason’ny anjely* hoe: Niteny tsy nahy aho; nahoana no ho tezitra amin’ny teninao Andriamanitra ka hanimba ny asan’ny tananao? [Na: iraka;]
- 6Fa amin’ny haben’ny nofy dia misy zava-poana; ary toy izany koa ny haben’ny teny, fa Andriamanitra no atahory.
- 7[Ny mbola hitsarana ny mpampahory sy ny mpamadika ny rariny ary ny maha-zava-poana ny harena sy ny tokony hifaliana amin’izay omen’Andriamanitra] Raha hitanao ny fampahoriana ny malahelo sy ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny amin’ny tany, dia aza gaga amin’izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony, ary mbola misy ambony noho ireo indray aza.
- 8Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mahasoa ny tany ny fisian’ny mpanjaka amin’izay tany volena.
- 9Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.
- 10Raha mitombo ny fananana, dia mitombo koa ny mpihinana azy; ary inona no soa azon’ny tompony, afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny ihany?
- 11Mamy ny torimason’ny mpiasa, na homan-kely na homam-be izy; fa ny haben’ny ananan*’ny manan-karena kosa no tsy ahitany tory.[Na: ny fahavokisan’]
- 12Misy ratsy mahory efa hitako atỳ ambanin’ny masoandro, dia harena tehirizin’ny tompony, nefa mampidi-doza amin’ny tenany;
- 13sady levona izany harena izany noho ny loza manjo; ary miteraka zazalahy ralehilahy nefa tsy misy na inona na inona eny an-tànany,
- 14Toy ny nivoahany mitanjaka avy tany an-kibon-dreniny, dia toy izay nihaviany ihany no hiverenany; ary tsy hisy na inona na inona ho entin’ny tànany ho valin’ny fisasarany.
- 15Dia ratsy mahory koa izany, fa toy izay nihaviany indrindra no handehanany; ary inona no soa azony noho ny nisasarany ho an’ny rivotra?
- 16Ary koa, homa-maizina amin’ny androny rehetra izy sady manana alahelo be sy fahoriana ary fahasosorana.
- 17Indro, efa hitako izay soa sy izay tsara, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly amin’ny fisasarana rehetra izay isasaran’ny olona atỳ ambanin’ny masoandro amin’izay andro vitsy iainany omen’Andriamanitra azy; fa izany no anjarany.
- 18Ary koa, ny olona rehetra izay omen’Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany sy hifaliany amin’ny fisasarana, dia fanomezan’Andriamanitra izany.
- 19Fa tsy hahatsiaro loatra ny andro niainany izy, satria ny fahafinaretan’ny fony no avalin’Andriamanitra azy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.