Mpitoriteny
Toko 3
- 1[Ny filaharan’ny zavatra samy amin’ny fotoany avy, sy ny mbola hitsaran’Andriamanitra ny ratsy fanahy, ary ny anton’ny nanaovana ny olombelona ho faty toy ny biby] Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin’ny lanitra:
- 2Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana na nambolena;
- 3Ao ny andro amonoana, ary ao ny andro anasitranana; Ao ny andro andravana, ary ao ny andro ananganana;
- 4Ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; Ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana;
- 5Ao ny andro anariam-bato, ary ao ny andro anangonam-bato; Ao ny andro anohonana, ary ao ny andro ifadiana tsy hanohona;
- 6Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; Ao ny andro itehirizana, ary ao ny andro anariana;
- 7Ao ny andro andriarana, ary ao ny andro anjairana; Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana;
- 8Ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana; Ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana.
- 9Inona no soa azon’ny miasa amin’izay isasarany?
- 10Efa hitako ny asa mampahory izay nomen’Andriamanitra ny zanak’olombelona hisasarany.
- 11Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin’ny fotoany avy; ary ny mandrakizay* dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.[na: izao tontolo izao]
- 12Fantatro fa tsy misy tsara amin’ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara*, raha mbola velona koa izy.[Na: mahazo soa]
- 13Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’Andriamanitra izany.
- 14Fantatro fa izay rehetra ataon’Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia ataon’Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona.
- 15Izay atao izao dia efa natao fahiny; ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; ary mbola tadiavin’Andriamanitra indray izay efa lasa*. [Heb. voaroaka]
- 16Ary izao koa no efa hitako atỳ ambanin’ny masoandro: ny fitoeran’ny fitsarana nisy faharatsiana tao; ary ny fitoeran’ny fahamarinana nisy faharatsiana koa tao.
- 17Hoy izaho anakampo: Samy hotsarain’Andriamanitra na ny marina na ny meloka; fa any dia samy manana ny androny avy ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra.
- 18Hoy izaho anakampo: Noho ny amin’ny zanak’olombelona izany, mba hizahan’Andriamanitra toetra* azy, ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy.[Na: hanadiovan’Andriamanitra]
- 19Fa zavatra sendrasendra foana ny zanak’olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby*, mitovy ihany ny mihatra amin’izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan’izy rehetra; ary tsy misy ihoaran’ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra.[Na: Fa izay manjo ny zanak’olombelona dia manjo ny biby koa]
- 20Izy rehetra samy mankamin’ny fitoerana iray: avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ny* vovoka indray izy rehetra.[Na: hody]
- 21Iza no mahalala ny fanahin’ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin’ny biby, na midina amin’ny tany izy, na tsia*? [Na: Iza no mahalala ny fanahin’ny olombelona izay miakatra any ambony, na ny fanahin’ny biby izay midina amin’ny tany?]
- 22Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian’ny olona amin’ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.