Isaia
Toko 9
- 1Ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin’ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ny mazava.
- 2Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin’ny fararano, ary tahaka ny fifalin’ny olona, raha mizara babo.
- 3Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon’ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin’ny andro namelezana ny Midiana.
- 4Fa ny kiraron’izay mitrevatreva fandeha eo amin’ny fihorakorahan’ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin’ny afo izany.
- 5Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay Andrian’ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga]
- 6Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny hatramin’izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.
- 7[Ny amin’ny aninjiran’i Jehovah ny tànany hampijaly ny olona noho ny ratsy nataony] Ny Tompo mandefa teny ho an’i Jakoba, ka mihatra amin’ny Isiraely izany.
- 8Ary ho fantatr’izy iray firenena izany, dia Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amin’ny fiavonavonany sy ny fireharehan’ny fony manao hoe:
- 9Biriky no efa nirodana, fa vato voapaika kosa no harafitsika; Aviavy no voakapa, fa sedera kosa no hasolontsika azy.
- 10Ary Jehovah manandratra ny rafilahin-dRezina hihoatra azy Ary mamporisika ny fahavalony,
- 11Dia ny Syriana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; Ary misanasana vava mandrapaka ny Isiraely ireo. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tanany.
- 12Fa ny olona tsy miverina amin’Izay mamely azy, Eny, Jehovah, Tompon’ny maro, tsy mba tadiaviny.
- 13Ka dia nofongoran’i Jehovah amin’ny Isiraely indray andro monja Ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia* sy ny zozoro [palma]
- 14(Ny loholona sy ny manan-kaja no loha, ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo);
- 15Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy, Ary izay tarihiny dia voatelina.
- 16Ary noho izany dia tsy mahafaly an’i Jehovah ny zatovony, ary ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy dia tsy iantrany; Fa samy mpihatsaravelatsihy* sy mpanao ratsy izy, ary ny vava rehetra mamoaka teny fahadalana. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.[Na: ratsy fanahy]
- 17Fa ny faharatsiana mandoro tahaka ny afo, Mandevona ny tsilo sy ny hery ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina tahaka ny setroka misavoana.
- 18Noho ny fahatezeran’i Jehovah, Tompon’ny maro, dia efa maintin’ny afo ny tany, ary ny olona dia tahaka ny kitay atohoka amin’ny afo; Tsy misy olona miantra ny rahalahiny
- 19Ary mandripaka eny an-kavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra,
- 20Eny, Manase mihinana an’i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an’i Manase, Ary izy roa tonta dia miara-mamely an’i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.