Isaia
Toko 10
- 1Lozan’izay mamorona fikasana tsy marina sy izay mpanoratra manoratra fampahoriana,
- 2Hampialany ny mahantra amin’ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin’izay ory eo amin’ny oloko, Handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty!
- 3Ary ahoana no hataonareo amin’ny andro famaliana sy amin’ny fandravana izay avy amin’ny lavitra? Ho any amin’iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo*? [Heb. voninahitrareo]
- 4Tsy misy azony atao afa-tsy ny mihohoka voatsindrin’ny mpifatotra sy ny lavo voatsindrin’ny voavono*. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.[Na: Izay tsy mihohoka voatsindrin’ny babo dia ho lavo voatsindrin’ny voavono; na: Raha misaraka amiko, dia hihohoka, etc]
- 5[Ny amin’ny fanjakan’i Asyria sy ny mbola handravana azy] Endrey! ry Asyria, tsorakazon’ny fahatezerako รด, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!
- 6Hamely firenena mihatsaravelatsihy* no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan’ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.[Na: ratsy fanahy]
- 7Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izany no heverin’ny fony; Fa ny handringana sy ny hamongotra firenena tsy vitsy no ao am-pony.
- 8Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governorako ireny?
- 9Tsy tahaka an’i Karkemisy va Kalno? Tsy tahaka an’i Arpada va Hamata? Ary tsy tahaka an’i Damaskosy va Samaria ?
- 10Tahaka ny nahatraran’ny tanako ny fanjakan’ny andriamani-tsi-izy, na dia nihoatra noho ny an’i Jerosalema sy ny an’i Samaria aza ny sampin*’ireo,[Heb. sarin-javatra voasokitra]
- 11Dia tsy tahaka ny nataoko tamin’i Samaria sy ny andriamanini-tsi-izy va no hataoko amin’i Jerosalema sy ny sampiny* koa ? [Heb. sarin-javatra voasokitra]
- 12Kanefa rehefa vitan’ny Tompo ny asany rehetra ao an-tendrombohitra Ziona sy Jerosalema, dia hovaliany kosa ny vokatry ny fiavonavonan’ny fon’ny mpanjakan’i Asyria sy ny reharehan’ny fiandranandran’ny masony; [Heb: hovaliako]
- 13Fa izy manao hoe: Tamin’ny herin’ny tanako no nanaovako izany, sy tamin’ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny faritanin’ny firenena aho sady namabo ny hareny, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka*; [Na: Ary tahaka ny fanaon’ny lehilahy mahery no nanonganako mpanapaka]
- 14Ary tahaka ny fakàna ny ao amin’ny akanim-borona no nakan’ny tanako ny haren’ny firenena; Ary tahaka ny famory atody nilaozan-dreniny no namoriako ny any amin’ny tany rehetra, Ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na nikiakiaka.
- 15Ny famaky va hirehareha amin’izay mikapa aminy? Ny tsofa va hiavonavona amin’izay manatsofa aminy? Toy ny tsorakazo, raha manetsika izay manainga azy! Ary toy ny tehina, raha manandratra ny tompony*! [Heb. manandratra izay tsy hazo]
- 16Koa izany no anateran’ny Tompo, dia ny Tompon’ny maro, fahahiazana amin’ny tremalahiny; Ary ao ambanin’ny voninahiny dia hisy mirehitra toy ny firehitry ny afo.
- 17Ary ny fahazavan’ny Isiraely ho tonga afo, ary ny Iray Masiny ho tonga lelafo, ka hodorany ho levona indray andro monja ny tsilony sy ny heriny;
- 18Ary ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra dia holevoniny, na ny fanahiny, na ny nofony, ka ho tahaka ny fifezak’izay marary mafy* izany.[Na: ho tahaka ny fahatoranan’ny mpitondra faneva]
- 19Ary ho vitsy ny hazo sisa any an’alany, ka na dia izay mbola zaza aza hahasoratra azy.
- 20Ary amin’izany andro izany ny Isiraely sisa, izay tsy ringana amin’ny taranak’i Jakoba, dia tsy hiankina amin’izay namely azy intsony; Fa Jehovah, Iray Masin’ny Isiraely, ihany no hiankinany marina tokoa.
- 21Ary izay sisa amin’i Jakoba dia hiverina ho amin’Andriamanitra Mahery.
- 22Fa na dia tahaka ny fasika any amin’ny ranomasina aza ny isan’ny Isiraely olonao, dia izay sisa aminy ihany no hiverina; Voatendry ny fandringanana izay hanafotra ho famaliana marina;
- 23Fa fahafonganana voatendry no hataon’i Jehovah, Tompon’ny maro, Ao amin’ny tany.
- 24Koa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Ry oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra ny Asyriana, raha mamely anao amin’ny tsorakazo izy ary manainga ny tehina aminao, tahaka ny fanao tany Egypta;
- 25Fa rehefa afaka vetivety, dia hitsahatra ny fahavinirana, ary ny fahatezerako dia handringana azy kosa.
- 26Eny, Jehovah, Tompon’ny maro, hamely azy amin’ny kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin’ny ranomasina ka hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta.
- 27Ary amin’izany andro izany dia ho afaka eo an-tsorokao ny entany ary ny bao fitondrany ho afaka amin’ny vozonao, ary ho tapaka* ny bao fitondrana noho ny fihatavezany.[Heb. simba]
- 28Injao! tonga any Aiata izy, mamaky an’i Migrona izy ary mametraka ny entany ao Mikmasy,
- 29Mihoatra ao an-kadilanana izy Ao Geba isika no handry, hoy izy; Mangovitra Rama, mandositra Gibean’i Saoly;
- 30Mikiakiaha mafy, ry zanakavavin’i Galima, Mampandria sofina, ry Laisy. Indrisy, ry Anatota mahantra!
- 31Lasa mandositra Madmena, ny mponina any Gebima mitondra ny entany mandositra.
- 32Anio izy mbola mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany manambana ny tendrombohitr’i Ziona zanakavavy, dia ny havoan’i Jerosalema.
- 33Indro, Jehovah, Tompon’ny maro, manapaka ny rantsany madinika amin’ny heriny mahatahotra; Ary izay mijoaka lava no voakapa, ary izay avo no aetry;
- 34Ary kapaina vy ny ala mikirindro, ary Libanona dia alamaky ny iray Mahery.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.