Isaia
Toko 7
- 1[Ny amin’ny hahaterahan’Imanoela, sy ny amin’ny handravana ny fanjakan’i Siria sy Efraima] Ary tamin’ny andron’i Ahaza, zanak’i Jotama, zanak’i Ozia, mpanjakan’ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan’i Syria, sy Pelza, zanak’i Remalia, mpanjakan’ny Isiraely, hanafika an’i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy.
- 2Dia nambara tamin’ny taranak’i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin’ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny fon’ny vahoakany toy ny firondronan’ny hazo any an’ala, raha asian’ny rivotra.
- 3Ary hoy Jehovah tamin’Isaia: Mivoaha ianao sy Seara-jasoba* zanakao hitsena an’i Ahaza eo amin’ny faran’ny lakan-drano amin’ny kamory ambony, eo amin’ny lalambe mankamin’ny sahan’ny mpamotsy lamba,[Seara-jasoba = Hisy sisa hiverina]
- 4ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan’ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak’i Remalia.
- 5Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima ary ny zanak’i Remalia ka nanao hoe:
- 6Andeha isika hananika an’i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak’i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,
- 7Dia izao no lazain’i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, Ary tsy hisy izany;
- 8Fa ny lohan’i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan’i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin’ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony),
- 9Ary ny lohan’i Efraima dia Samaria, Ary ny lohan’i Samaria dia ny zanak’i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo, Dia tsy ho tafatoetra.
- 10Ary Jehovah mbola niteny tamin’i Ahaza ihany ka nanao hoe:
- 11Mangataha famantarana amin’i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin’ny lalina ambany, na ho avy amin’ny avo ambony.
- 12Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an’i Jehovah
- 13Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak’i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an’Andriamanitro koa ianareo ?
- 14Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan’anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra]
- 15Rehefa mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izy, Dia rononomandry sy tantely no ho fihinany.
- 16Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izany zaza izany, Dia ho lao ny tanin’ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.
- 17Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin’ny andro nialan’i Efraima tamin’ny Joda (Dia ny mpanjakan’i Asyria);
- 18Ary amin’izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin’ny faran’ny onin’i Egypta, sy ny renitantely, izay any amin’ny tany Asyria;
- 19Dia ho avy ireo, ka samy hipetraka amin’ny lohasaha lao, sy eny an-tsefatsefaky ny harambato, sy eny amin’ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin’ny saha fiandrasana rehetra.
- 20Amin’izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin’ny hareza nohofana any amoron’ny Ony* (Dia ny mpanjakan’i Asyria); Ary ny volom-bava hokakasana amin’iny koa.[Eofrata]
- 21Ary amin’izany andro izany Dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona;
- 22Ary noho ny haben’ny ronono azo avy amin’ireo dia hihinana rononomandry izy; Fa rononomandry sy tantely no ho fihinan’ny olona sisa rehetra ao amin’ny tany.
- 23Ary amin’Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo.
- 24Zana-tsipìka sy tsipìka no ho entin’izay miditra ao, satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra.
- 25Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin’ny angady dia tsy ho azonao diavina noho* ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan’ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman’osy izany.[Na: Dia tsy halehan’]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.